Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fanambaran'ny Fanahy Masina

Daty
Alahady 17 May 2026

 « Ny Fanahy dia miara-milaza amin 'ny fanahintsika fa zanak 'Andriamanitra isika.» - Rom. 8:16.

Mofon’aina:

Afaka manambara ny Fanahy fa ankasitrahan'Andriamanitra ny lalanao. Amin'ny finoana ny Tenin'Andriamanitra no ahazoana izany fanambarana izany, amin'ny fandraisana ny Teny ho an'ny fanahinao manokana. Izany no atao hoe mihinana ny mofon'aina, ary izany no mitondra fiainana mandrakizay. Ampitahao amin'ny Soratra Masina ny Soratra Masina. Diniho ny fanehoana ny fiainana kristianina marina araka ny anoritsoritana azy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra.

 Ny lalan'Andriamanitra no fenitra lehiben'ny fahamarinana. Izany no lazain'ny apostoly fa masina, marina ary tsara. Hoy i Davida: "Tsy misy tsiny ny lalan'i Jehovah, mamelombelona ny. fanahy." – Sal. 19:7. Hoy i Kristy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." (...) "Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ao; izay tia Ahy no ho tian 'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy" - Jao. 14:15,21. Izany no tena fanambaran'ny Fanahy Masina. (...) "Raha mitandrina ny didiko hianareo" — amin'ny fo — "dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin 'ny fitiavany." – Jao. 15:10. 

Ireo izay mankatò ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy hanana fiainana sarotra na ho fadiranovana eto amin'ity fiainana ity. Henoy indray ny tenin'i Kristy: "Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo." -and. 11. Ity no tombontsoa omena ny rehetra — ny fifalian'i Kristy ao amin'ny fanahy vokatry ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra (...) sy ny fampiharana ny fitakian'i Kristy eo amin'ny fiainana isan'andro. Misy tokim-panantenana feno ao amin'ny finoana ny tenin' i Kristy tsirairay, ao amin'ny fitokiana Aminy, ny firaisana Aminy amin'ny alalan'ny finoana velona. Rehefa manao fanandramana toy izany ny olona, dia tsy eo ambanin'ny lalana intsony izy, satria tsy manameloka ny fitondrantenany intsony ny lalana. (...)

Ho an'izay mino dia sarobidy Kristy. Ny Fanahiny miasa ao an-tsaina sy ao am-pon'ny mpino diamifandrindra tanteraka amin' izay voasoratra ao amin'ny Teny. Mifanaraka tanteraka ny Fanahy sy ny Teny. Araka izany, ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. – L, 11, 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal