«Ho amin 'ny fahafahana no nanafahan,i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.» - Gal. 5:1.
Mofon’aina:
Nataon'Andriamanitra teo ambanin'ny lalana ny olombelona tany am-piandohana, ho fepetry ny fisiany. Teo ambanin'ny fitondran'Andriamanitra izy, ary tsy misy fitondrana raha tsy misy lalana. (...)
Mahefa ny zavatra rehetra, mahalala ny zavatra rehetra, ary tsy miova Andriamanitra. Mahitsy mandrakariva ny lalany. Fahamarinana ny lalany fahamarinana tsy miova, mandrakizay. Mifanaraka amin'ny toetrany ny didiny. Saingy asehon'i Satana amin'ny fomba diso izany (...). Nandritra ny fotoana rehetra nikomiany, dia nitady izay hanehoana an'Andriamanitra ho toy ny tsy marina, sy tsy refesi-mandidy i Satana. (...)
Vokatry ny tsy fankatoavan' i Adama dia mpandika lalana ny olombelona rehetra, namidy ho andevon'ny ota. Raha tsy mibebaka sy miova fo izy, dia eo ambany fanandevozan'ny lalana, mpanompon ' i Satana, voafandriky ny fitaky ny fahavalo, ary manao fanambarana manohitra ny didin'i Jehovah. Kanefa hamarinina kosa ny olona amin'ny fankatoavany tanteraka ny fitakian'ny lalana. Amin'ny alalan'ny finoana an' i Kristy irery ihany no mety hahatanteraka ny fankatoavana toy izany. Mety ho takatry ny olona ny maha ara-panahy ny lalana, mety ho fantany ny fahefany amin'ny maha mpanondro ny fahotana azy, saingy tsy mahatohitra ny hery sy ny fitak'i Satana izy ireo, raha tsy manaiky ny fanavotana atolotra azy ao amin'ilay sorona nataon'i Kristy Famonjena antsika, sy Fampihavanana antsika amin'Andriamanitra.
Ireo izay mino an'i Kristy sy mankato ny didiny dia tsy eo ambany fanandevozan'ny lalan'Andriamanitra; ho azy ireo, ny lalany dia tsy lalam-panandevozana, fa fahafahana. Izay rehetra mino an'i Kristy, miantehitra amin'ny hery fiarovana avy amin'ilay Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty izay efa nandoa ny sazin'ny mpandika lalana, manohitra ny fakam-panahy, ary eo anivon'ny faharatsiana nefa maka tahaka ny modelin'ny fiainan'i Kristy, dia ho tonga mpiray amin'ny fomb an ' Andriamanitra amin 'ny alalan'ny finoana ny sorom-panavotana nataon'i Kristy, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay ao amin'izao tontolo izao noho ny filana. Izay rehetra mankato ny didin'Andriamanitra amin'ny finoana dia ho tonga amin'ny tsy fananan-tsiny, toa an'i Adama talohan'ny fahalavoany. – ST, 23 Jolay 1902.