Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny sitrapon'Andriamanitra, fa tsy ny ahy

Daty
Alarobia 20 May 2026

«Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny  fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.» - Sal. 25:4,5.

Mofon’aina:
Toy izao ny toromarika nomena an'i Mosesy: "Tandremo mba   hataonao araka ny endrika izay naseho lamina tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" — Heb. 8:5. Na dia nafana fo tamin'ny asan'Andriamanitra aza i Mosesy, ary nanana clona marc havanana sy manan-talenta indrindra hanao izay rehetra asainy atao, dia tsy nahazo nanao na inona na inona izy, (...) raha tsy araka ny endrika naseho azy, araka ny idealin'Andriamanitra. (...) Nandritra ny efapolo andro no nanomezana azy ny toromarika, ary rehefa nidina avy teo an-tendrombohitra izy, dia vonona ny hanatanteraka ilay endrika marina naseho azy tany an-tendrombohitra. (...)

Maro no diso noho ny tsy fanarahana ny hevitr'Andriamanitra, fa ny an'ny tenany. I Kristy aza dia nilaza hoe: "Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon 'ny Ray" — Jao. 5:19. Nofoanany ny Tenany, hany ka tsy manana fikasana na drafitra ho Azy Izy. Nekeny ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainany, ary nambaran'ny Ray Azy isan'andro ny fikasany. Raha i Jesosy aza niantehitra tanteraka toy izany tamin'ny Rainy ka nanao hoe: "na inona na inona no ataon 'ny Ray dia toy izany koa ny ataon 'ny Zanaka," tsy mainka ve fa ny olombelona? (...)

Tsy maintsy resena ny sitrapontsika. Tsy maintsy homboana amin'ny hazo fijaliana ny fireharehana sy ny avonavona, ary ny banga hofenoin'ny Fanahy sy ny herin'Andriamanitra. (...) Moa ve i Jesosy Kristy, Mpanjakan'ny lanitra, nanao ny sitrapony manokana? Banjino Izy sy ny fahoriam-panahiny tao Getsemane, nivavaka tamin'ny Rainy. (...) Ny fisainana ny fisarahana tamin'ny fitiavan'ny Ray no nanery ny molony hatsatra sy nangovitra hiantso hoe: "Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity" —Mat. 26:39. Intelo no nanaovany izany vavaka izany, saine nampiany hoe: "nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao" — Lio. 22:42. Toy izany no tsy maintsy ho toe-tsaintsika koa (...). Izany no fiovam-po marina. —L, 27, 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal