«Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.» - Sal. 25:4,5.
Mofon’aina:
Toy izao ny toromarika nomena an'i Mosesy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho lamina tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" — Heb. 8:5. Na dia nafana fo tamin'ny asan'Andriamanitra aza i Mosesy, ary nanana clona marc havanana sy manan-talenta indrindra hanao izay rehetra asainy atao, dia tsy nahazo nanao na inona na inona izy, (...) raha tsy araka ny endrika naseho azy, araka ny idealin'Andriamanitra. (...) Nandritra ny efapolo andro no nanomezana azy ny toromarika, ary rehefa nidina avy teo an-tendrombohitra izy, dia vonona ny hanatanteraka ilay endrika marina naseho azy tany an-tendrombohitra. (...)
Maro no diso noho ny tsy fanarahana ny hevitr'Andriamanitra, fa ny an'ny tenany. I Kristy aza dia nilaza hoe: "Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon 'ny Ray" — Jao. 5:19. Nofoanany ny Tenany, hany ka tsy manana fikasana na drafitra ho Azy Izy. Nekeny ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainany, ary nambaran'ny Ray Azy isan'andro ny fikasany. Raha i Jesosy aza niantehitra tanteraka toy izany tamin'ny Rainy ka nanao hoe: "na inona na inona no ataon 'ny Ray dia toy izany koa ny ataon 'ny Zanaka," tsy mainka ve fa ny olombelona? (...)
Tsy maintsy resena ny sitrapontsika. Tsy maintsy homboana amin'ny hazo fijaliana ny fireharehana sy ny avonavona, ary ny banga hofenoin'ny Fanahy sy ny herin'Andriamanitra. (...) Moa ve i Jesosy Kristy, Mpanjakan'ny lanitra, nanao ny sitrapony manokana? Banjino Izy sy ny fahoriam-panahiny tao Getsemane, nivavaka tamin'ny Rainy. (...) Ny fisainana ny fisarahana tamin'ny fitiavan'ny Ray no nanery ny molony hatsatra sy nangovitra hiantso hoe: "Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity" —Mat. 26:39. Intelo no nanaovany izany vavaka izany, saine nampiany hoe: "nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao" — Lio. 22:42. Toy izany no tsy maintsy ho toe-tsaintsika koa (...). Izany no fiovam-po marina. —L, 27, 1892.