Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay fenitra ambony indrindra

Daty
Alakamisy 21 May 2026

 «Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan 'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina.» - Rôm. 2:13.

Mofon’aina:
Maro amin' ireo olona voasoratra ao amin'ny bokim-piangonana ny anarany no tsy misy fiovana marina ny fiainany. Tavela any ivelany ny fahamarinana. Tsy misy ny fiovam-po marina, tsy misy vokany ny asan'ny fahasoavana ao am-po. (...)

Tokony hitolo-batana tanteraka eo am-pelatanan'i Kristy sy hanokan-tena ho Azy izay te hanana toetra matanjaka sy mirindra tsara, satria tsy eken'ny Mpanavotra ny hananantsika fo mizarazara. Hianarany isan'andro ny atao hoe mandà tena. Hianarany ny Soratra Masina, hanakarany ny heviny sy hankatoavany ny fitsipiny; amin’izany no hahatrarany ny fahatanterahana kristianina. (...) Hiara-miasa aminy isan'andro Andriamanitra mba hanamboatra ny toetrany ho tanteraka, ka ho tafajoro izy amin'ny fizahan-toetra farany. (...) Vavolombelona eo anatrehan'ny olona sy ny anjely ny fiainany isan'andro, manambara izay azon'ny filazantsara atao ho an'ny olombelona lavo.

Aoka isika hikely aina, hitozo amim-pahamatorana amin'ny asa fanavaozana izay tsy maintsy atao eo amin'ny fiainantsika. Andeha hohomboantsika ny "izaho". Hiezaka fatratra hifehy antsika ireo fahazarana tsy masina, nefa afaka mandresy izany isika amin'ny anaran'i Jesôsy sy ny heriny. Ho an' izay miambina tsara ny fony araka izay azony atao ny teny fikasana hoe: "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin 'ny fitiavan 'Andriamanitra izay ao amin Kristy Jesôsy Tompontsika." — Rôm. 8:38,39. Andriamanitra mihitsy no "hanamarina izay manana finoana an’iJesôsy" — Rôm. 3:26, "ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa." —Rôm. 8:30.

Na lehibe toy inona aza ny henatra sy ny fitotonganana vokatry ny fahotana, dia ho lehibe lavitra ny voninahitra sy ny fisandratana avy amin'ny fitiavan'Andriamanitra manavotra. Omena haren-tsarobidy avy any an-danitra ny olona izay miezaka hanana fiainana araka ny endrik'Andriamanitra, dia hery lehibe hametraka azy ho ambonin'ireo anjely tsy mbola lavo mihitsy aza. — RH, 7 Jolay 1904

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal