«Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy hianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra.» - Deo. 26:18.
Mofon’aina:
Ampandalovin' Andriamanitra fitsapana isika, ary rahamahajoro tsara araka izay antenainy, dia ho rakitra soa ho Azy. Manoritra tsipika manasaraka antsika amin'izao tontolo izao ny Sabata, tsy amin'ny fomba manjavozavo fa amin'ny loko miharihary mazava. Ho an' ireo izay nandray ny fahazavan'io fahamarinana io, ny Sabata dia fitsapana; tsy fitakiana avy amin'olombelona izany, fa fitsapana avy amin'Andriamanitra. Io no mampiavaka ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy, ary io no lohahevitra hifanolanana indrindra amin'ilay ady lehibe farany eo amin'ny marina sy ny diso. Izay rehetra mitonona ho mpitandrina ny lalàn'Andriamanitra dia tokony hijoro sy hiray saina ny amin'ny fitandremana ny Sabatany masina. (...)
Rehefa nandalo ny tany Egypta ny anjely mpandringana mba hamely ny lahimatoan'ny olona sy ny biby, dia nomena toromarika ny Isiraelita hampiditra ny zanany hiaraka amin'izy ireo ao an-tranony, ary hanentina ra ny tolana sy ny tataom-baravarana, ka tsy nisy nahazo nivoaka ny trano, satria izay rehetra ho hita eny anivon'ny Egyptianina dia haringana miaraka aminy.
Tokony handray lesona avy amin'izany isika. Mbola handalo hamakivaky ny tany indray ny anjely mpandringana. Hisy marika hapetraka eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra, ary izany marika izany dia ny fitandremana ny Sabatany masina. Tsy ny sitrapontsika na ny fihevitsika manokana no tokony harahintsika ka hitompo teny fantatra isika fa hanaiky ny fepetrantsika Andriamanitra. (...) Hizaha toetra ny finoantsika Andriamanitra amin'ny fanomezany antsika anjara asa hatao mifandraika amin'ny fidirany an-tsehatra ho antsika. Ho tanteraka amin' ireo izay mankatà ny fepetra ny teny fikasany. (...)
Tokony hampianatra ny zanatsika ny didin'Andriamanitra amim-pahatokiana isika; aoka hahalefitra eo ambany fifehezana sy ny fahefan'ny ray aman-dreny izy ireo; avy eo, apetratsika eo an-tanan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana sy ny vavaka, dia hiara-miasa amin'ny ezaka ataontsika Izy, satria efa nanome toky fa hanao izany. Ary rehefa mandalo hamely ny tany ny loza lehibe, dia ho voafina ao an-trano fialofan' ny Tompo izy ireo, miaraka amintsika. - Ms, 3, 1885.