«Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.» - Sal. 119:73.
Mofon’aina:
Asan'Andriamanitra ny firafitry ny vatan'ny olombelona. Ireo taova miasa rehetra ao dia Izy no namorona azy. Omen'ny Tompo sakafo sy rano isika mba hanomezana izay ilain'ny vatana. Nomeny toetra samy hafa ny tany mba hampaniriana sy hampitomboana sakafo ho an'ny zanany. Izy no manome ny tara-masoandro sy ny ranonorana, ny lohaorana sy ny faraorana. Izy no manao ny rahona sy mandefa ny ando. Fanomezany avokoa izany rehetra izany. (...)
Nefa tsy hamerina ny endrik' Andriamanitra ara-moraly eo amintsika ireny fitahiana rehetra ireny raha tsy miara-miasa Aminy isika, ka manao ny ezaka rehetra mba hahafantatra ny tenantsika sy hahatakatra ny fomba fikarakarana ity milina olombelona be pitsipitsiny ity. Mila miezaka amim-pahazotoana hifanaraka mandrakariva amin'ny laladny zavaboary ny olona. Izay miara-miasa amin'Andriamanitra mba hihazona ity milina mahagaga ity ao anatin'ny firindrana, ka manokana ny heriny rehetra ho an'Andriamanitra, ary mikatsaka amim-pahendrena hankato ny lalan'ny zavaboary, dia mijoro amin'ny hery nomen'Andriamanitra azy, ary voasoratra ao amin'ny bokin'ny lanitra ho olona manana ny maha izy azy.
Nomen’Andriamanitra tany hambolena ny olona. Nefa mba hahazoana mijinja vokatra, dia tsy maintsy misy ny fiaraha-miasa mirindra eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona. Tsy maintsy ampiasaina amin'ny fotoana mety ny angadinomby sy ny fitaovam-piasana hafa. Tsy maintsy afafy amin'ny fotoany ny voa. Tsy maintsy manao ny anjarany ny olona. Raha tsy miraika sy manao tsirambina izy, dia ho hita fa tsy mahatoky. (...)
Toy izany koa ny amin 'ny zava-panahy. (...). Tsy maintsy misy ny fiaraha-miasa eo amin'ny Zanak'Andriamanitra sy ny mpanota mibebaka. (...) "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany" Jao. 1:12. Manolotra famindram-po sy fahasoavana mitafotafo ho an' izay rehetra mino Azy i Kristy. Izy no manatanteraka ireo fepetra iankinan'ny famonjena antsika. Isika kosa tsy maintsy manao ny anjarantsika amin'ny fanekena amim-pinoana izany fitahiana izany. Miasa Andriamanitra, miasa koa ny olona. Tsy maintsy manohitra ny fakam-panahy ny olona, ka manovo ny heriny ao amin'Andriamanitra. Tonga mpiara-miasa amin'i Kristy izy amin'izany. — RH, 28 Mey 1908.