Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahiana tsy misy tetra

Daty
Alahady 31 May 2026

 «Mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin 'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an 'Andriamanitra. » - Kol. 1:10.

Mofon’aina:
Hodinihintsika ny vavaka nataon'i Paoly ho an'ireo rahalahiny tany Kolosia. Hoy izy: "Ary noho izany koa hatramin 'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin 'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin 'ny Fanahy, mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin 'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin 'ny fahalalana tsara an 'Andriamanitra, aty ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin 'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin 'ny hafaliana" - Kol. 1:9-11.

 Feno tokoa io vavaka io! Nomena tombontsoa handray fitahiana tsy misy fetra isika. Azo "hofenoina ny fahalalana ny sitrapony" isika. Tsy ho nanindry mandry an 'i Paoly hanao izany vavaka izany ho an'ny rahalahiny mihitsy ny Fanahy Masina raha toa ka tsy azo atao ny mahazo valiny avy amin'Andriamanitra mifanaraka amin' izany fangatahana izany. (...)

 Izao kosa no nosoratan'i Paoly ho an'ny fiangonana tany Efesosy: "Ary noho izany no andohalehako amin'ny 
Ray, Izay ahazoan 'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etj, an-tany anarana, mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin 'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba hitoeran Kristy ao am-ponareo amin 'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin 'ny fitiavana hianareo, mba hahaizanareo mbamin 'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan Kr/sty, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. Ary ho an 'Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitm (...). Amena." — Efes. 3:14-21.

 Aseho antsika eto ny halehiben'ny tanjona mety ho tratra eo amin'ny fiamana kristianina. Indrisy fa lavitra izany ny fiangonana ankehitriny! (...) Ny «izaho» - izany hatrany no miseho lany. (...) Rahoviana isika vao hifoha? Rahoviana vao ho tanteraka amintsika ny fanirian'i Kristy? — L, 179, 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal