"Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitty ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana satria fandrafiana an 'Andriamanitra ny fihevitty ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany." — Rôm. 8:6,7.
Mofon’aina:
Mirona ho amin'ny fahafina-retana sy ny fanomezana fahafaham-po ny tena ny fisainana ara-nofo. Tetikadin'i Satana ny manomana maro dia maro amin'ireo. Katsahiny ny hameno ny sain'ny olona amin'ny fialamboly araka izao tontolo izao ka tsy hahafahany mametra-panontaniana akory hoe: ahoana ny amin'ny fanahiko? Mifindra haingana ny fitiavam-pahafinaretana. Raha avela hanaraka izany lalana izany ny saina, dia hitady fialamboly tsy ankijanona izy. Ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra no manohitra izany fironana izany ary manangana sakana manohitra ny tsy fahamasinana.
(...) Amin'ny fomba ahoana no hitomboan'ny fitiavana an' Andriamanitra sy ny zavatry ny lanitra raha tsy eto amin'izao fiainana izao? Raha avela handany ny fotoantsika sy ny fifantohantsika rehetra ny fitakiana sy ny fiahiahian'izao tontolo izao, dia hihaosa ary ho faty ny herintsika ara-panahy. Ao amin ny saina izay voatolotra tanteraka amin'ny zavatra eto an-tany dia mihidy avokoa ny varavarana rehetra izay ahafahan'ny fahazavana avy any an-danitra miditra. Tsy miantraika eo amin'ny saina na ny toetra akory ny fahasoavan' Andriamanitra manova.
Miaina ao anatin'ny lozan'ny andro farany isika, ka tokony hiaro ny lalana rehetra izay ahafahan'i Satana manatona antsika amin'ny fakam-panahy. Ny fankatoavana tsotra ny fahamarinana dia tsy hamonjy fanahy amin'ny fahafatesana. Tsy maintsy hamasinina amin'ny fahamarinana isika; ny kilema rehetra eo amin'ny toetra dia tsy maintsy resena, fa raha tsy izany dia izy no handresy sy hifehy antsika. Aoka tsy hangataka andro fa hanomboka hanongotra ny ahidratsy rehetra ao amin'ny zaridainan'ny fo; ary amin'ny fahasoavan'i Kristy, aoka tsy hisy zavamaniry hivelatra ao afa-tsy izay mitondra voa ho amin'ny fiainana mandrakizay.
Kolokoloy izay rehetra ao amin'ny toetranao ka mifanaraka amin'ny toetran'i Kristy. Hazony tsara izay marina, mahitsy, ara-drariny, madio, maha-te ho tia ary tsara laza; fa ario kosa izay rehetra tsy mitovy amin'ny Mpamonjy antsika. Ny fanahy rehetra izay hahazo ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy ho tahaka an'i Kristy: `masina, tsy manan-tsiny, tsy voaloto, voasaraka amin'ny mpanota' - Hebreo 7:26. — RH, 3 Jona 1884.