"Fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany andrakizay." - I Tant. 28:9
Mofon’aina:
Tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan' Andriamanitra ianao ny amin'ny eritreritrao, ny teninao, ny fotoanao ary ny asanao. (...)
Tsy hiditra ny lanitra mihitsy ianao raha tsy efa mankafy ny fiombonana amin'Andriamanitra eto an-tany, satria eto no fiomanana ho amin'ny lanitra. Andriamanitra no tokony hiantefan'ny fanajana lalina indrindran'ny fo, sy ny fitiavana ary ny fahatahorana. (...) Ireo izay tsy misaintsaina ny momba an'Andriamanitra eto amin'ity tontolo ity, ireo izay mahatsapa fa vesatra ho azy ny fileferana amin'Andriamanitra amin'izao fiainana izao, dia tsy mba hiara-mifaly amin'i Kristy any amin'ny fiainana ho avy. Ny zavatra safidiny sy tiany ety (...) no mamolavola ny fitiavany ka manjary faneriterena ho azy ny fitsipiky ny lanitra. Aoka ny fanahinao ho eo ambany fifehezan'Andriamanitra. (...)
Ilay namorona ny olona, izay nandoa vidiny lehibe ho fanavotana azy, dia afa-baraka mafy rehefa mifidy fiainana ambany, feno fitiavan-tena sy zava-poana ny olona. (...) Izay rehetra afa-po amin'ny fialana amin'ny fahalalana izay mahatonga azy ho hendry mba hahazoany fiainana izao sy amin'ny ho avy (...) dia mamelona ny fanahiny amin'ny rano masirasira, nefa i Jesosy Kristy manasa azy hoe: "Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro." - Jao. 7:37. - Ms 13, 1897.
Aoka ny fanahinao ho feno fisaintsainana momba ireo fahamarinana be voninahitra hita ao amin'ny Tenin' Andriamanitra, dia tsy haniry fatratra intsony izay tsy anananao intsony ianao. Ho tsinontsinona aminao amin'izay ny eritreritra tsy misy lanjany fa hiezaka mandrakariva ianao hanatratra ny fenitra avo indrindra amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana izay asehon'ny filazantsara. Tanjona ambony kokoa amin'ny fiainana ara-panahy no hokatsahinao. Miresaha amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Teniny. (...)- Ms 13, 1897.
Amin'ny fandinihana ny tanjona ambony napetrany hotratrarinao no hahatonga anao hisandratra ho amin'ny rivo-piainana madio sy masina, eo amin'ny fanatrehan' Andriamanitra. Rehefa mitoetra eo ianao, dia hisy fahazavana mamirapiratra avy aminao izay hitaratra eo amin'ireo rehetra mifandray aminao. - L 10, 1894.