Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misakaiza amin'izao tontolo Izao

Daty
Alarobia 10 June 2026

"Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an 'Andriatnanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan 'izao tontolo izao, dia fahavalon 'Andriamanitra izy."  - Jak. 4:4

Mofon’aina:
Tsy mpisakaiza i Kristy sy izao tontolo izao. Hoy ny apostoly:   "tsy fantatrareo va fa .fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin 'izao tontolo izao?" (. . .) Na oviana na oviana dia tsy ho tonga fitaovana hampiova fo an'izao tontolo izao ho an'i Kristy mihitsy ny fanahafana azy. Tsy maintsy manolo-tena feno ho an'Andriamanitra ny Kristianina raha tiana ny hahombiazan'ny fiangonana eo amin'ny fampiasana hery miasa mangina ho amin'ny tsara amin'ny tsy mpino. Ny fihatahana kely foana amin' i Kristy dia manome hirika ny fahavalo hampiasa hery miasa mangina sy hampahatanjaka ary hampahomby azy. - RH, 23 Aogôsitra 1892.

Ny Kristianina, araka ny Soratra Masina, dia olona misaraka amin'izao tontolo izao (...) ary miray amin'i Kristy. Manana fiadanana izy, izay i Kristy irery no afaka manome izany, ary hitany fa ny fifalian'i Jehovah no tanjany (...). Ny Kristianina dia tsy hamela an'izao tontolo izao ho very nefa tsy nahazo fampitandremana; tsy hitoetra tsy hanao ezaka ho famonjena ny very izy. (...) Ireo izay tia marina an'i Kristy ( ...) dia mijery ny hirika rehetra hahafaha-mampiasa ireo fitaovana ananany hanaovana soa sy hanarahana ny ohatry ny asan'i Kristy. Tsy hanaiky ho resin'ny fakam-panahy amin'ny fikambanana amin'izao tontolo izao izy. (...) Ireo tsy miandany tanteraka amin'i Kristy dia fehezin'ny fitsipika sy ny fomban'izao tontolo izao amin'ny ampahany lehibe. (...)

 Manam-be amin'ny haren'ny tany i Satana, ary manana famitahana marobe ka ny mpiasany mahomby indrindra dia ireo izay hotarihiny hanana ny endriky ny toe-panahy araka an' Andriamanitra nefa mand à ny heriny amin'ny alalan'ny toetrany tsy maneho an' i Kristy. Ny zanak'Andriamanitra dia tokony hijoro ho an' ny fahamarinana na inona na inona mitranga. Tsy tokony ho voafitak'ireo izay manana ny fisainana sy ny toe-tsain'izao tontolo izao izy ireo. (...)

Andriamanitra dia manana vavolombelona mahatoky izay tsy mitady (...) hanompo an'Andriamanitra sy Mamôna miaraka. Izy ireo no jiro mirehitra sy mamirapiratra eo anivon'ny haizina ara-pitondrantena eto amin'izao tontolo izao (...) - RH, 4 Desambra 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal