Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

AMBONIN’NY ZAVON’NY FISALASALANA

Daty
Alatsinainy 08 April 2024

« Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah. » Sal. 31:24. 
Mofon’aina:

Na ny Kristianina manana fanandramana maro aza dia iharan’ireo fanahiana sy ireo fisalasalana ratsy indrindra. (...) Tsy tokony hihevitra ianao fa tsy misy fanantenana ny aminao momba ireo fakam-panahy ireo. (...) Manantenà an’Andriamanitra, matokia Azy ary mitoera ao amin’ny teny fikasany.

Hidio ny varavaran’ny fonao rehefa tonga miaraka amin’ireo fanahiany sy ireo tsy finoany ny devoly. Akimpio ny masonao mba tsy hahatavela anao eo amin’ny aloky ny helo. Asandrato ny maso mba hahafahany mibanjina ny zavatra maharitra mandrakizay ka hanananao tanjaka isan’ora. Sarobidy noho ny volamena ny fitsapana ny finoanao. (...) Hahatonga anao ho sahy hiady ny adin’ny Tompo izany. (...)

Mifandray amin’ireo rehetra maniry ny hifandray aminy i Satana. Raha azony atao ny mahazo ireo izay nanana fanandramana ara-pivavahana dia izy ireo no mpiasa mahomby indrindra hanatrarana ireo olona ireo sy ny fanahiny amin’ny alalan’ny tsy finoana. Tsy azonao atao ny hamela ny fanahiana hitoetra ao an-tsainao. Aza manome fahafinaretana ny devoly amin’ny fitantarana ireo enta-mavesatra entinao. Isaky ny manao izany ianao dia mifaly i Satana fa azon’ny fanahiny atao ny mifehy anao ka tsy mijery an’i Jesôsy Kristy Mpanavotra anao intsony ianao. (...)

Mila maneho Ilay niantso antsika avy amin’ny haizina ho amin’ny fahazavany mahagaga isika. Amin’ny finoana velona no itsaharantsika ao amin’izany fahazavana izany. Amin’ny finoana velona no hifaliantsika isan’andro ny amin’izany fahazavana izany. Tsy tokony hiresaka ny amin’ny fanahiantsika sy ny fizahan-toetra mahazo antsika isika satria mitombo izany isaky ny ataontsika anton- dresaka. Isaky ny miresaka izany isika dia mandresy i Satana; saingy rehefa miteny isika hoe: “Apetrako Aminy ny fiandrasana ny fanahiko, toy ny amin’ny vavolombelona mahatoky” dia mijoro ho vavolombelona isika fa nanolo-tena tanteraka ho an’i Jesôsy Kristy ary noho izany dia manome antsika ny fahazavana Andriamanitra ary mifaly ao Aminy isika.

Ny fanahy izay tia an’Andriamanitra dia misandratra ambonin’ny zavon’ny fisalasalana; manana fanandramana mamiratra, mivelatra, lalina, velona izany ary tonga malemy fanahy sy manahaka an’i Kristy. Mifamatotra amin’Andriamanitra ny fanahiny, miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra. – OHC, t. 86.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal