Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianianana ataon’ny Kristianina.

Daty
Alarobia 01 July 2026

"Ary aoka ho masina ho Ahy hianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ny firenena samy hafa hianareo mba ho Ahy." Lev. 20:26. 

Mofon’aina:       
Ny toetran’izay manatona an’Andriamanitra amin’ny finoana no ho vavolombelona fa niditra teo amin’ny fiainany ny Mpamonjy, mitantana sy mameno ny zava-drehetra. Mametra-panontaniana mandrakariva ny olona toy izany hoe: “Ity ve no sitraponao sy lalanao, ry Mpamonjiko?” Mitodika mandrakariva amin’i Jesosy izy. (...) Efa nataony ho fahazarana ny manandratra ny fony ho amin’Andriamanitra isaky ny misy fahasahiranana na fisalasalana.

Izay manaiky ny fiandrianan’Andriamanitra dia tsy maintsy manao fianianana fa hahatoky Aminy. Tsy maintsy manao ny fanamiana kristianina izy ary manandratra ambony ny faneva manambara Ilay Tompony mpitarika ny tafiny. Tsy maintsy manao fanambarana ampahibemaso izy fa hankatô an’i Kristy. Tsy azo afenina izany. Tsy maintsy hita taratra eo amin’ny fiainany i Kristy, amin’ny alalan’ny asa masina.

"Izaho no Jehôvah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa.” (...) “Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesôsy Kristy Tompontsika.” "Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.” "Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” – Lev. 20:24; 1 Tes. 5:23; Isa. 43:21; 1 Pet. 2:9. (...)

Ny fileferana tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy no hany fiarovana ho antsika. Tsy ho afaka ireo eritreritra sy faniriana feno fitiavan-tena izay mameno ny fanahy sy miteraka korontana eo amin’ny fiainantsika raha tsy eo ambany fifehezan’i Kristy manontolo ny momba antsika. Hoy ny Mpamonjy amin’ireo singa rehetra tsy voafehy ireo: “Mangina, mitsahara!” Raisin’i Kristy avokoa izay rehetra manaiky Azy ho Mpamonjy ny tenany, ary Izy no Mpanjaka manapaka eo amin’izy ireo. (...) Ny zotom-pontsika amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra no tsy maintsy toetra mampiavaka antsika amin’ny maha-mpanompo mahatokin’ny hazofijalian’i Kristy antsika. Azon'Andriamanitra itokiana ireo izay mankato Azy tanteraka, amin’ny maha-solontenany azy. – Ms, 82, 1900.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal