Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanolorantena tanteraka ho Azy.

Daty
Alakamisy 02 July 2026

"Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao; dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. " - Mat. 6:22. 

Mofon’aina:
Ny asain’ny Fanahin’ Andriamanitra ao amin’ny olona iray dia tsy manakana azy amin'ny adidy tokony hatao eo amin'ny fiainana andavanandro. (...) Mahafaoka ny maha-olona manontolo ny asan'ny Fanahin'Andriamanitra: fanahy, vatana, ary saina.

Raha lalaina toy ny foto-kevitra miorina mafy ao am-po ny Tenin'Andriamanitra, ka hazonina tsara amin'ny toe-javatra rehetra, dia manjary milefitra amin'i Jesôsy Kristy ny olona (...). Miasa ho fanompoana an'i Kristy ny fisainany sy ny fahaiza-manaony rehetra. Izany no fanamasinana marina. (...) "Tsy manan-java-mahory" izy. Tsy mihazona na inona na inona ho an'ny tenany koa izy mba hanaovany izay mahafinaritra azy fotsiny. (...)

"Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao; dia hazava avokoa ny tenanao rehetra." "Ny masonao" no lazaina eto, fa tsy ny mason'olon-kafa. Very ny fanandramana tsara izay tokony ho tombontsoantsika rehefa olon-kafa no andrasantsika hijery eo amin'ny toerantsika, sy hitarika antsika toy ny jamba, eo amin'ny diantsika ara-panahy. Ny hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery ihany no tokony ho tanjontsika. (...)

Izay tena tia sy matahotra an'Andriamanitra, ka manao izay hanatanterahana tsara ny sitrapony, dia hanolotra ny tenany, ny sainy, ny fony, ny fanahiny, ary ny heriny ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Toy izany i Enoka. Niara-nandeha tamin'Andriamanitra izy. (...) Dia toy izany no mampirindra tsara ny toetra; mahay mandanjalanja, mahatoky, feno fifaliana sy marina ilay olona. (...)

Samy ao anatin'ny fotoam-pahasoavana ianareo izao, ary samy manana ny fanandramany isan'andro; saingy indray mandeha monja eo amin'ny fiainana no mandalo amin'izany lalana izany ianareo. Koa aoka ny fotoana sarobidy rehetra hohararaotina araka izay tianareo hitranga rehefa tonga ny andro fitsarana ka hosokafana ny boky. Mifanaraka amin'ireo tombontsoa nomena antsika no hitsaran'ny Tompo antsika. – L, 128, 1897.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal