Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanolorantena tanteraka ho Azy.

Daty
Alakamisy 02 July 2026

"Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao; dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. " - Mat. 6:22. 

Mofon’aina:
Ny asain’ny Fanahin’ Andriamanitra ao amin’ny olona iray dia tsy manakana azy amin'ny adidy tokony hatao eo amin'ny fiainana andavanandro. (...) Mahafaoka ny maha-olona manontolo ny asan'ny Fanahin'Andriamanitra: fanahy, vatana, ary saina.

Raha lalaina toy ny foto-kevitra miorina mafy ao am-po ny Tenin'Andriamanitra, ka hazonina tsara amin'ny toe-javatra rehetra, dia manjary milefitra amin'i Jesôsy Kristy ny olona (...). Miasa ho fanompoana an'i Kristy ny fisainany sy ny fahaiza-manaony rehetra. Izany no fanamasinana marina. (...) "Tsy manan-java-mahory" izy. Tsy mihazona na inona na inona ho an'ny tenany koa izy mba hanaovany izay mahafinaritra azy fotsiny. (...)

"Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao; dia hazava avokoa ny tenanao rehetra." "Ny masonao" no lazaina eto, fa tsy ny mason'olon-kafa. Very ny fanandramana tsara izay tokony ho tombontsoantsika rehefa rehefa olon-kafa no andrasantsika hijery eo amin'ny toerantsika, sy hitarika antsika toy ny jamba, eo amin'ny diantsika ara-panahy. Ny hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery ihany no tokony ho tanjontsika. (...)

Izay tena tia sy matahotra an'Andriamanitra, ka manao izay hanatanterahana tsara ny sitrapony, dia hanolotra ny tenany, ny sainy, ny fony, ny fanahiny, ary ny heriny ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Toy izany i Enoka. Niara-nandeha tamin'Andriamanitra izy. (...) Dia toy izany no mampirindra tsara ny toetra; mahay mandanjalanja, mahatoky, feno fifaliana sy marina ilay olona. (...)

Samy ao anatin'ny fotoam-pahasoavana ianareo izao, ary samy manana ny fanandramany isan'andro; saingy indray mandeha monja eo amin'ny fiainana no mandalo amin'izany lalana izany ianareo. Koa aoka ny fotoana sarobidy rehetra hohararaotina araka izay tianareo hitranga rehefa tonga ny andro fitsarana ka hosokafana ny boky. Mifanaraka amin'ireo tombontsoa nomena antsika no hitsaran'ny Tompo antsika. – L, 128, 1897.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal