Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tempoly ho an'Andriamanitra 

Daty
Zoma 03 July 2026

"Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?" 1 Kôr. 3:16.

Mofon’aina:
Tanjon'Andriamanitra hatramin'ny fahagola ny hoe ho tempoly itoeran'ny Mpahary azy ny zavaboary tsirairay, nanomboka tamin'ny serafima mamirapiratra sy masina ka hatramin'ny olombelona. Noho ny ota anefa dia nitsahatra tsy ho tempolin'Andriamanitra ny olombelona. (...)

 Fanirian'Andriamanitra ho an'ny tempolin'i Jerosalema ny haha-vavolombelona azy mandrakariva, hanambara fa misy anjara ambony mendrika ho an'ny fanahy tsirairay. Saingy tsy takatry ny Jiosy ny hevitr' io fanorenana izay nireharehany fatratra io. (...) Ny kianjan'ny tempoly tany Jerosalema, izay feno korataban'ny varotra tsy masina, dia naneho tamin'ny fomba marina loatra ny tempolin'ny fo, izay nolotoin'ny filan'ny nofo sy ny fisainana maloto. Tamin'ny nanadiovany ny tempoly ka nandroahany ireo mpividy sy mpivarotr' izao tontolo izao, no nanambaran'i Jesosy ny iraka nampanaovina Azy, dia ny hanadio ny fo amin'ny fahalotoan'ny ota —amin'ny faniriana ny zavatry ny tany, ny fitiavan-tena, ary ireo fahazarana ratsy izay manimba ny fanahy. (...) I Kristy irery ihany no mai, 1 manadio ny tempolin'ny fanahy. (...) Hanadio sy hanamasina ny fanahy ny fanatrehany, mba ho tonga tempoly masina ho an'ny Tompo izany, ho "fonenan 'Andriamanitra amin 'ny Fanahy." - Efes. 2:22.

 Amin'ny alalan'io sary kanto sy manaitra io no anehoan'ny Tenin'Andriamanitra amintsika fa manan-danja lehibe ho Azy ny tenantsika sy ny andraikitra nankinina tamintsika mba hikolokolo io tempoly io ho amin'ny tsara indrindra araka izay azo atao. Fananana novidin'i Kristy ny tenantsika, ary tsy manana fahalalahana hanao izay tiantsika aminy isika. Efa nanao izany anefa ny olombelona. (...) Noho ny fanaranam-po amin'ny flan-dratsy dia nanjary osa, marary, ary simba ireo taova sy ny herim-batana. (...)

 Rehefa miova fo marina ny lehilahy sy ny vehivavy, dia hanaja sy hitandrina ireo lalàn'ny fiainana napetrak'Andriamanitra ao aminy, ka hanao izay tsy hahaosa azy ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pitondrantena. Tsy maintsy atao ho adidin'ny tena manokana ny fankatoavana ireo lalàna ireo. Isika ihany no hizaka ny fahoriana vokatry ny fandikan-dalàna. Tsy maintsy hampamoahin'Andriamanitra isika amin'ireo fahazarana amam-panaontsika. - RH, 31 Desambra 1908.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal