Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitolona mba hadio

Daty
Talata 07 July 2026

 "(...) tehirizo madio ny tenanao." - 1 Tim. 5:22.

Mofon’aina:
Ampahany manan-danja eo amin'ny fanabeazana ny fahafantarana ny atao hoe fahadiovan'ny saina sy ny fanahy ary ny tena. - CPTS, t. 103.

Rehefa tsy madio ny toetra, rehefa tonga toetra ny fahotana, dia toy ny hery manandevo izay mitovy amin'ny vera feno zava-mahamamo manapoizina izany. Resin'ny fomba fanao izay mandoto ny tena iray manontolo ny fahafahana mifehy tena sy ny fahaiza-mandanjalanja, ary raha mbola tohizana ireny fomba fanao feno fahotana ireny dia tonga malemy sy marary ny atidoha ka tsy mahavita ny asany intsony. Ny olona toy izany dia ozona ho an'ny tenany sy izay rehetra mifanerasera aminy (...)

 Mora kokoa ny mahazo fahazaran-dratsy noho ny fahazarana tsara, ary sarotra ny miala amin'ny fahazaran-dratsy. Manazava io toe-javatra zary mahazatra, io ny fironan-dratsin'ny fon'ny olona: mora kokoa ny (...) ny mitaona ny tanora ho amin'ny toe-panahy sy fitondrantena ratsy noho ny manao izay hananany fahazarana maharitra, tsara, madio, marina sy mahitsy. Mitombo ho azy ny toetra tia manaram-po, tia fahafinaretana, ror fankahalana, ny avonavona, ny ....siriritana ary ny fialonana, na tsy misy maneho ohatra na mampiana-dratsy azy aza. (...) Eo amin'ny zavaboary, raha avela fotsiny amin'izao ny saha iray dia ho rakotra tsilo sy songosongo. Raha tiana kosa ny anirian'ny voa sarobidy sy voninkazo tsara tarehy eo, dia tsy maintsy kolokoloina tsy tapaka izany.

 Aseho anao ankehitriny ny ilana ny manohitra mandrakariva ny ratsy. Feno fahalianana ny lanitra manontolo ny amin'ireo lehilahy vehivavy izay tian'Andriamanitra fatratra ka natolony ho faty hanavotra azy ny Zanany malalany. Tsy misy voary hafa noharian' Andriamanitra izay afaka mitombo amin'ny fahatsarana sy ny fahamendrehana tahaka ny olombelona. (...) Tsy azon'ny olombelona an-tsaina hatraiza ny mety ho vitany, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. Noho ny fahasoavan'i Kristy dia afaka mitohy mihatsara hatrany ny fisainany. Aoka hamirapiratra ao ny fahazavan'ny fahamarinana, ary aoka ny fitiavan'Andriamanitra hameno ny fony, mba hahatonga azy ho lehilahy (na vehivavy) mahery noho ny amin'ny fahasoavana izay natolotr'i Kristy tamin'ny nahafatesany. — L, 26d, 1887. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal