Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Loza isaky ny indray mandingana.

Daty
Alarobia 08 July 2026

"Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin 'izay miantso ny Tompo amin 'ny fo madio. " - 2 Tim. 2:22.

Mofon’aina:
Mitombo isan'andro ny loza mananontanona ny tanora sy ny lehibe mahakasika ny fitondrantena. Mivelatra ny toerana iasan'ny fitotonganam-pitondrantena ka mahatonga hery miasa mangina ratsy sy ambany tokoa eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tanora izay mitonona ho Kristianina. (...)

Andairan'ny fakam-panahin'i Satana ireo izay efa mahafantatra ny fahamarinana kanefa tsy manao asa mifanaraka ny finoana nekeny. Misehatra loza isaky ny indray mandingana izy ireo. Feno faharatsiana manodidina azy, mahita sary sy mandre zavatra izay manetsika ny filany tsy voafehy izy ireo; manjary mora voataona hifidy ny ratsy fa tsy ny tsara izy satria tsy madio ny fony. (...)

 Aoka hianaran'ny rehetra fa misy hery lehibe ao amin'ny fahatsaran-toetra. Ny fanofanana ilaintsika indrindra amin'izao andro izao dia ny fanomanana ireo tanora lehilahy sy vehivavy hanana fahitsiam-pitondrantena sy hanadio ny fanahiny ho afaka amin'ny pentin' ny fahalotoam-pitondrantena rehetra. (...) 

Efa hifarana ny fotoam-pahasoavana, dia ilay fotoana andinihan'Andriamanitra ny momba ny olona tsirairay. izao no fotoana nomen'Andriamanitra antsika mba hamolavolana toetra madio sy masina. Raha tsy hararaotina tsara izao fotoana izao, raha maloto ny eritreritra, raha tsy hamasinina ny fo, raha mbola misy fahazaran-dratsy leferina, dia azo antoka fa hanana ny anjarany miaraka amin'ireo ratsy fanahy sy ny vetaveta, izay maharikoriko an'Andriamanitra, ny olona toy izany.

 Amin'izao androm-pahasoavana izao no tsy maintsy anaovan'ny fanahy tsirairay safidy. Hatao eo anivon'ny fianakaviana, eo anivon'ireo mambra ao am-piangonana izany. Hisy valiny soa ny hatsaran-toetra sy ny foto-kevitra marina tsy misy fitiavan-tena, satria hifindra sy ho hita taratra eny amin'ny hafa izany. (...) «Ny voany no hahafantaranareo azy.» - Mat. 7:20 - L, 26d, 1887. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal