"Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin 'ny hazo fijaliana." - Gal. 5:24.
Mofon’aina:
Tsy tompon'ny tenantsika isika. fa olom-boavidy» isika, tsy tamin'ny «zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena (...) fa ny ra soami Kristy; » ffNlba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy» - 1 Pet. 1:18,19; 2 Icor. 5:15.
Ny olona rehetra no efa navotany tamin'ny vidiny tsy hits lany. Tamin'ny nanatosahany ny haren'ny lanitra rehetra ho eto arnin'izao tontolo izao, tamin'ny nanomezany antsika ny lanitra manontolo tao amin'i Kristy, no efa nividianan'Andriamanitra, ny sitra-po sy ny fitiavana ary ny saina sy ny fanahin'ny olombelona rehetra. Antsoina izy rehetra hanompo Azy, ary araka ny fomba nentina namaly io fitakiana io, no hampamoahana ny olona rehetra amin'ny andro fitsarana lehibe. — HF, t. 334.
Raha ny vidiny naloa ho fanavotana antsika no jerena, moa ye tsy tokony hanolotra ny tena sy ny fanahintsika ho an'llay nividy antsika tamin'ny rany isika? Moa tsy tokony hotehirizina ho salama sy madio sy masina ve izay novidiny? ... Ity nofontsika ity mihitsy no navotany tamin'ny vidiny tsy manam-petra, tamin'ny nanomezany ny nofony ho fiainan'izao tontolo izao.
Ao amin'ny vatana no fototry ny filana ambany, ary miasa amin'ny alalan'ny vatana ny filana. Ny teny hoe "nofo" na "araka ny nofo" na "filan'ny nofo" dia mifandraika amin'ny toetra ambany sy ratsy. Raha ny nofo ara-bakiteny dia tsy mahay manohitra ny sitrapon'Andriamanitra tsy akory. Asaina manombo ny nofontsika mbamin'ny faniriany sy ny filany eo amin'ny hazo fijaliana isika. Ahoana no hanaovantsika izany? Hampahory ny vatantsika ve isika? Tsia; ny fironana ho amin'ny fahotana no tokony hovonointsika. Tokony horoahina ny sain-dratsy. (...) Ny fitiavan'Andriamanitra no tokony hanjaka sy hanapaka ny zavatra rehetra. (...)
I Jesosy no hamonjy izay rehetra matoky Azy. Manana fahasambarana izay miray amin'i Kristy. Ny lalana nosoritan'ny Mpamonjy ho azy no arahiny, ka noho ny Aminy dia manombo ny nofo mbamin'ny faniriany sy ny filany izy ireo. — CPTS, t. 225.