"( ...) hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin 'Andriamanitra? " - Gen. 39:9.
Mofon’aina:
Misy mandrakariva ireo olona manana toetra mora manaiky sy malemy sitrapo, ka sarotra ho azy ny manao "TSIA" hentitra, ary vonona hanaraka am-bokony ny hafa izay matanjaka sy tapa-kevitra kokoa izy, hiala amin'Andriamanitra. Tsy manana hery anaty azo ianteherana ireny olona ireny, ary tsy manana foto-kevitra mafy orina hamonjy azy ireo tsy hanaiky soso-kevitra ratsy na tsy hamolavola fahazaran-dratsy. (...)
Mitombo isan'andro ny loza ara-pitondrantena mety hahazo ny rehetra, na antitra na tanora. (…) Miezaka fatratra i Satana mba hitaomana ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, ary ny ankizy sy ny tanora ho amin'ny fanao maloto. Fo maro no manaiky ho azon'ny fakam-panahiny satria tsy notezaina na nodiovina na nokolokoloina tamin'ny alalan'ny fahamarinana masina izay lazainy fa inoany. Tsy vitsy no manana fisainana mirefarefa, ary ratsy fiteny sy fitondrantena, ka rehefa tonga ny fakam-panahin'i Satana, dia tsy manana herin-tsaina hanoherana izany izy ireo ka lavo mora foana. (...)
Mila manahy tokoa isika raha tsy ao anatintsika mandrakariva ny fahatahorana an'Andriamanitra. Aoka isika hatahotra andrao manalavitra an'Andriamanitra velona, fa Izy irery ihany no hery sy aro ho antsika rehefa mamely antsika amin'ny fakam-panahiny ny fahavalo.
Lohahevitra mahakasika ny fanahy tsirairay ny hoe: Ahoana no hitandremantsika ny tenantsika ho fanaka homem-boninahitra eo imason'Andriamanitra izay masina? (...) Tsy voaro isika na mandry, na mifoha, na mivoaka, na miditra. Miray tetika amin'ireo lehilahy sy vehivavy ary anjely ratsy fanahy i Satana, ary mitambatra ny herin'ny maizina mba hamery sy handringana ny fanahy rehetra izay tsy voahodidin'ny mandan'ny foto-kevitra mafy orin'ny fahamarinana mandrakizay. (...)
Aoka hamaka lalina ao amin'ny fanahy ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Tsy maintsy mifikitra amin'ny herin'i Jesosy Kristy ny finoana, raha tsy izany dia tsy misy fiarovana (...). Mila mifoha ny tsirairay, ka manandratra avo ny fanevan'ny fahadiovana. — L, 26d, 1887.