Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hafatra ho an'ny ray aman-dreny

Daty
Alatsinainy 20 July 2026

"Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha." - Deo. 6:6,7.

Mofon’aina:
Tokony hiray saina ao amin'ny finoana ny ray aman-dreny, mba hiray koa amin'ny ezaka ataony eo am-panabeazana ny zanany ao anatin'ny finoana ny fahamarinana. Ny reny manokana no tena miandraikitra ny asa famolavolana ny sain'ny zanany kely. (...) Matetika ny raim-pianakaviana no voatanan'ny asa aman-draharahany lavitra ny tokantrano, koa tsy mandray anjara mitovy amin'ny vadiny izy eo amin'ny fanabeazana ny ankizy. Nefa isaky ny afaka manao izy, dia tokony hiray ezaka amin'ny vadiny amin'izany asa izany. (...)

 Kely loatra ny ezaka voafaritra natao mba hanomanana ny zanatsika ho amin'ireo fitsapana izay tsy maintsy hatrehin'ny rehetra eo amin'ny fifandraisany amin'izao tontolo izao sy ny fitaomany. Tsy nomena fanampiana araka ny tokony ho izy izy ireo mba hamolavolany toetra matanjaka ampy hanoherana ny fakam-panahy sy hijoroana tsara amin'ny foto-kevitra marina, rehefa hiatrika ilay fotoan-tsarotra lehibe izay miandry ireo rehetra mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesôsy .

Mila mahatakatra ireo fakam-panahy atrehin'ny tanora isan'andro ny ray aman-dreny, mba hahafahany mampianatra azy ny fomba handresena izany. Misy hery miasa any an-tsekoly sy eto amin'izao tontolo izao izay tokony hotandreman'ny ray aman-dreny. Tsy tian'Andriamanitra hifantoka amin'ny zava-poana, ny fanaranam-po, ary ny faniriana araka izao tontolo izao isika, fa hibanjina kosa ilay valisoa be voninahitra sy mandrakizay ho an'ireo izay manatanteraka amim-paharetana ny hazakazaka napetraka eo anoloany ao amin'ny filazantsara. Tiany isika hitaiza ny zanatsika hiala amin'izay rehetra mety hampanalavitra azy an'i Kristy. Ho avy tsy ho ela ny Tompo, ary tsy maintsy miomana ho amin'izany fotoan-dehibe izany isika. (...) Aoka ny fiainanareo andavanandro ao an-tokantrano haneho ireo foto-kevitra velon'ny Tenin'Andriamanitra. Hiara-miasa aminareo ny anjelin'ny lanitra eo am-pikatsahanareo hanatratra ny fenitry ny fahatanterahana, sy eo am-pampianaranareo ny zanakareo ny fomba fanarahana ireo foto-kevitry ny fahamarinana eo amin'ny fiainana. — RH, 12 OktObra 1911. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal