"Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany. " - Ohab. 22:6.
Mofon’aina:
Tokony hanapa-kevitra toy izao ny ray sy ny reny: Hitandrina ny lalana marina aho; (...) Handeha aminmy fahitsianmy foko ao anatinmy tranoko aho» - Sal. 101:2. (…) Ny ray aman-dreny no mpampianatra voalohany ny zanany, ary amin'ny alalan'ireo lesona omeny, dia samy mandray fanabeazana na ny ray aman-dreny na ny zanaka. Rehefa manokan-tena - vatana, fanahy, ary saina - ho an' ny asa nampiandraiketin'Andriamanitra azy ny ray aman-dreny, dia hampianatra lesona sarobidy azy ireo ny Tompo, ka hanome azy teny feno fahendrena holazaina, sy hanampy azy hanam-paharetana sy fandeferana eo anatrehan'ny fihantsiana. (...)
Mila tokantrano voahodidin'ny rivo-piainana masina isika. Ny ankohonana tsy voaova fo no mpiara-miasamavitrika indrindra amin'i Satana. (...) Misy ray aman-dreny masiaka, mpanameloka, ary manjakazaka loatra; ny hafa indray manao tsirambina sy mampihanta loatra, ka mamela ny zanany hanaraka ny lalan'ny tsy fankatoavana mandra-pahatanterak'izy ireo zava-dratsy tokoa. (...) Mila mahatsapa ny hery manovan'Andriamanitra ny ray aman-dreny toy izany. Ny fanomezana vahana ny fahatezerana na ny tsy firaihana feno fitiavan-tena dia mahatonga ny zanany tsy ho mendrika an' ity fiainana ity sy ilay ho avy. (...)
Manoratra ho an'ny ray aman-dreny eo amintsika aho satria iriko fatratra ny hianaran'izy ireo, sy hampianarany ny zanany, ireo lesona kanto izay tsy maintsy hianarantsika etST an-tany alohan'ny hidirantsika any an-danitra. Apetraho izao fanontaniana izao amin'izay rehetra ataonareo: «Ahoana no anampian' izany ny zanako ho vonona ho any amin'ireo fitoerana efa namboarin'i Kristy ho an'izay tia Azy?» Rehefa vita araka ny tokony ho izy ny asa ao amin'ny sekolin'ny tokantrano, dia hoentin'ireo ankohonana eo anivon'ny fiangonana ny toetra mendrika sy feno fiheverana ny hafa, ka ho tian'ny anjelin'ny lanitra ny hitoetra ao. (...) Voadio ny fo ka mendrika ny hitoeran'i Jesôsy Tompo.
Ataovy eo anatrehan'ny zanakareo mandrakariva i Kristy amin'ny alalan'ny hira fiderana Azy, amin'ny fikatsahana Azy amim-bavaka, ary amin'ny famakiana ny Teniny, mba ho tsapan'izy ireo hatrany ny fanatrehany. — RH, 12 janoray 1911.