"Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehôvah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao." - Isa. 54:13.
Mofon’aina:
Tokony hampianarina ny ankizy sy ny tanora fa nomena fahaiza-manao izy ireo ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra. Koa tsy maintsy mianatra ny leson'ny fankatoavana izy ireo, satria tsy misy afa-tsy ny fiainam-pankatoavana an-tsitrapo no hahafahan’izy ireo manompo an'Andriamanitra mifanaraka amin'ny fitakiany. (...)
Ny ray aman-dreny izay tena tia an'i Kristy dia ho tia ny zanany ka tsy mampihanta azy, fa hiasa amim-pahendrena hahasoa indrindra azy ireo. Novidina tamin'ny vidiny lafo ireny zanaka ireny. Nanao sorona ny ainy i Kristy hanavotana azy ireo amin'ny faharatsiana. Ny ray aman-dreny izay mankasitraka ny sorona nataon'i Kristy sy ny Rainy ho an'ny taranak'olombelona dia hiara-miasa Aminy, ka hampiasa ny heriny sy ny fahaizany rehetra nohamasinina ho an'ny asa famonjena ny zanany. Tsy hataony toy ny kilalao ny zanany, fa horaisiny toy ny fananan'i Kristy, ary hampianariny azy fa tsy maintsy ho tonga zanak'Andriamanitra izy ireo. Tsy hamela azy hanana toetra ratsy na faniriana feno fitiavan-tena izy ireo, fa hampianariny azy kosa ny leson'ny fifehezan-tena.
Rehefa miara-miasa ny ray aman-dreny sy ny zanaka ho fanatrarana ny tanjon'Andriamanitra tsara indrindra ho azy ireo, dia hisy hery sy fitahiaria tonga eo amin'ny fiainany; ary ho feno fifaliana sy fahafaham-po ny fon'ny ray aman-dreny eo am-pahitana ny vokatry ny ezaka nataony, dia ny zanany mitombo amin'ny fitiavana ny fahamarinana, sy miezaka hanatratra amin'ny fahafenoany ny drafitr'Andriamanitra ho azy. (...)
Rehefa voatarika sy voaofana ny tanora, tamin'ny alalan'ny fanabeazana araka an'Andriamanitra tao an-tokantrano, sy ny herin'ny fotoam-bavaka marain-tsy hariva, ary ny ohatra maharesy lahatra asehon'ny ray aman-dreny tia sy matahotra an'Andriamanitra, dia manjary milefitra amin'Andriamanitra toy ny amin'ny Mpampianatra sy Mpitarika azy, ary vonona hanolotra ho Azy fanompoana izay ankasitrahany. (...) Vonona hanambara amin'izao tontolo izao ny fahasoavana sy ny herin'i Kristy ny tanora toy izany. (...) Tianareo ve ny hanampy ankohonana hafa hampiasa ny talenta nomen'ny Tompo azy ho voninahitr'Andriamanitra? Asehoy eo amin'ny fiainanareo manokana ary ny fanahafana ny endrik'i Kristy. – RH, 5 Oktobra 1911.