Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ray sy reny matahotra an'Andriamanitra

Daty
Zoma 24 July 2026

 "Kanefa kosa mitandrema hianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany." - Deo. 4:9.

Mofon’aina:
Misy asa fanomanana lehibe ankinina amin'ny ray aman-dreny rehetra izay milaza ho mino ny fiavian'i Kristy tsy ho ela, mba hahavonona azy sy ny zanany hitsena ny Tompo amin'ny fiaviany. Fanirian'Andriamanitra ny hahita ray aman-dreny mijoro tsara ho Azy, mba tsy hisy fahasimbana ny asa izay nankinina tamin'izy ireo, ary mba ho takatry ny ankizy sy ny tanorantsika mazava ny sitrapon'Andriamanitra ho azy. Mila mianatra manohitra ny ratsy sy mifidy ny marina izy ireo, hiala amin'ny fahotana, ary ho tonga mpanompon'Andriamanitra mahatoky, vonona hanolotra ho Azy ny fanompoana mendrika indrindra eo amin'ny fiainany.

Vitsy ny ray aman-dreny mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanomezana ohatra tsaran'ny fianam-bavaka ho an-janany. Mahomby lavitra noho ny fampianarana am-bava anefa izany. (...) Mila manana modely alain-tahaka eo amin'ny toetra tsara ny ankizy sy ny tanora raha tiany ny handresy ny fahotana sy hamolavola toetra kristianina tanteraka. Eo amin'ny fiainan'ny ray aman-dreniny no tokony hahitany izany modely izany. (...)

Tian 'Andriamanitra ny hanehoan'ny ray aman-dreny ohatra velona hitan'ny zanany ny amin'ireo foto-kevitra ao amin'ny Teniny. (...) Na hitaky fiezahana amim-pahatokiana sy vavaka tsy mitsahatra aza ny fihazonana ny tongotry ny zanany eo amin'ilay lalan-tery, dia azon'izy ireo atao tsara ny manabe ny ankizy sy ny tanora ho tia sy hanompo an'Andriamanitra. (...) Azo atao ny mampianatra azy ny foto-kevitry ny fahamarinana, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika; kely ety, ary kely ery, mandra-pahatongan'ny faniriana sy ny fironan'ny fo hirindra amin'ny saina sy ny sitrapon'Andriamanitra.

 Rehefa mahatsapa ny andraikitra mipetraka aminy ny ray sy ny reny, ary mamaly ny antson'ny Fanahin'Andriamanitra ho amin'io asa natao tsirambina io, dia hisy fiovana ho hita eo amin'ny tokantrano maro, izay hahafaly ny anjely. – RH, 12 Oktobra 1911.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal