"(...) dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah." - Gen. 12:8.
Mofon’aina:
Abrama, izay antsoina hoe «sakaizan'Andriamanitra», dia nametraka ohatra lehibe ho antsika. Fiainana feno fivavahana ny fiainany. Ary na taiza na taiza no nananganany ny lainy, dia teo koa no nanorenany alitara izay nanangonany ny ankohonany ho amin'ny fanatitra marain-tsy hariva. (...) Tokony hisy fahazavana tahaka izany koa hamirapiratra avy amin'ny tokantrano kristianina. Tokony ho hita eo amin'ny asa ny fitiavana. Tokony hanenika ny fifandraisana rehetra ao an-tokantrano izany, amin'ny alalan'ny hatsaram-panahy, ny fahalalam-pomba, sy ny fifampiheverana amim-pitiavana. Misy tokoa ny tokantrano izay ampiharana ireny foto-kevitra ireny — tokantrano izay iankohofana amin'Andriamanitra sy anjakan'ny fitiavana marina. Misandratra eo anatrehan'Andriamanitra toy ny fofo-manitra ny vavaka marain-tsy hariva avy amin'ireny tokantrano ireny, ary mirotsaka amin'ireo mpivavaka toy ny andon'ny maraina ny famindram-pony sy ny fitahiany.
Ilaintsika betsaka kokoa ny fivavahana. Mila ilay hery sy fahasoavana vokatry ny vavaka mafana isika. Tokony hatnpiasaina amim-pahazotoana io fiasan'ny fahasoavana io mba hahazoana hery ara-panahy. Ny vavaka dia tsy mampidina an'Andriamanitra ho eo amintsika, fa mampiakatra antsika ho any Aminy kosa. Manjary tsapantsika mazava kokoa izay tena ilaintsika, sy ny adidintsika amin'Andriamanitra, ary ny tokony hianteherantsika Aminy. Mahatonga antsika hahatsapa ny maha-tsinontsinona ny tenantsika sy ny fihevitsika izany. (...)
Tsy maintsy atao isan'andro izany. Isa-maraina, atokany ho an'Andriamanitra ny tenanao sy ny ankohonanao, ho an'ny tontolo andro. Aza manao kajikajy ho an'ny volana na taona maro ho avy, fa tsy anao ireny. Andro iray fohy no oniena anao, ary mandritra izany dia miasa ho an'ny tenanao sy ny ankohonanao, toy ny hoe io no andro farany iainanao. Apetraho eo an-tanan'Andriamanitra ny drafitrao rehetra, na hotanterahina izany na hafoy, araka izay hasehon'ny fitantanany. Amin' izany fomba izany no hahafahanao mametraka isan'andro ny fiainanao mbamin'ireo drafitra sy tanjonao eo am-pelatanan'Andriamanitra, ka manaiky ny drafiny ho anao, na dia manelingelina ny fandaminanao aza izany (...). "Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy fesosy."- Fil. 4:7 - ST, 7 Aogositra 1884.