"(...) Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao. - Isa. 49:25.
Mofon’aina:
Ny voadin'i Davida voarakitra ao amin'ny Sal. 101 dia tokony ho voadin'izay rehetra miantsoroka ny andraikitra amin'ny fiarovana ny tokantrano sy ny hery miasa mangina avy amin'izany. Hoy i Davida: ollitandrina ny lalana marina aho ( ...) Handeha amin 'ny fahitsian 'ny foko ao anatin 'ny tranoko aho. Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho.» - Sal. 101:2,3. — RH, 12 oktobra 1911.
Hamorona saim-petsy maro ny fahavalon'ny fanahy mba hitaomana ny sain'ny tanorantsika hiala amin'ny finoana mafy an'Andriamanitra ho amin'ireo fanao mpanompo sampy eo amin'izao tontolo izao. Aoka hodinihina tsara ireo fampitandremana nomena ny Isiraely fahiny. Tsy mitsahatra ny ezaka ataon'i Satana handotoana ny fisainana sy hanimbana ny fahaiza-mandanjalanja, ary tsy maintsy miambina isika. (...)
Tokony hataontsika izay hiarovana ny tokantranontsika amin'ireo hery miasa mangina manimba rehetra. Misy ray aman-dreny maro mbola mila mianatra betsaka momba izany, Ho an'ireo izay mihevitra fa afaka mamaky an-kalalahana irony tantara noforonina irony izy, dia izao no lazaiko: mamafy voa ianareo, ary tsy ho tianareo ny hijinja ny vokatr'izany. Tsy misy hery ara-panahy azo tovozina avy amin'ny famakiana lahatsoratra toy ireny. Mifanohitra amin'izany aza, mandrava ny fitiavana ny fahamarinana madion'ny Tenin'Andriamanitra izany. Miasa amin'ny alalan'ireny i Satana mba hameno ny saina amin'ny hevitra tsy marina sy tsy misy ilana azy, nefa tokony handalina amim-pahazotoana ny Tenin'Andriamanitra ny saina. Amin' izany no handrobany ny fotoana sy ny herin'ny olona an'arivony maro, ka tsy hananan'izy ireo ny fifehezan-tena ilaina hiatrehana ireo olana sarotra eo amin'ny fiainana.
Aoka ny tanora hampianarina handinikatsaranyTenin'Andriamanitra. Rehefa raisina ao amin'ny fanahy izany, dia ho tonga manda matanjaka mahatohitra ny fakam-panahy. "Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao", hoy ny mpanao salamo. «Ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny» - Sal. 119:11; 17:4.
Raha arahina am im-pahatokiana ireo torohevitry ny Tenin'Andriamanitra, dia ho tonga amin'ireo tanorantsika ny fahasoavana mahavonjin'i Kristy. Ahian'Andriamanitra manokana mantsy ny ankizy beazina ho tia sy hankato Azy, ary manaiky hotefen'ny Teniny. — RH, 5 Oktobra 1911. 3112.