Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hafatra ho an'ny tanora.

Daty
Alarobia 29 July 2026

"Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo." - 1 Jao. 2:14.

Mofon’aina:
Tian'Andriamanitra ny ankizy sy ny tanora, miaraka amin'ny   talentany vao misandratra, ny tanjany, ary ny herim-pony, mbamin'ny toetrany malaky taitra, ary faniriany ny hiarahan'izy ireo miasa amim-pirindrana amin'ny anjelin'ny lanitra. (…)

Azo lazaina ho mijoro eo anoloan'ny sampanan-dalana ny zanatsika. Mitaona azy amin'ny fomba rehetra izao tontolo izao ho amin'ny fitadiavana ny tombontsoan'ny tena sy ny fanaranam-po, mba hampiala azy amin'ilay làlana voasoritra ho an'ireo navotan'ny Tompo. Miankina amin'ny safidy ataony ny haha-fitahiana na ozona ny fiainany.(…)  Fananan' i Kristy izy ireo, novidiny tamin'ny rany, ary fanehoany ny fitiavany. Ny heriny no mihazona azy ireo ho velona. Azy avokoa ny fotoanany, ny heriny, ny fahaiza-manaony, mba hovolavolainy, hofaniny, ary hampiasaina ho Azy. (...)

Ry zatovo lahy sy vavy, manangana fahalalana. (...) Miezaha hanatratra ny ambony kokoa hatrany. Ny fahaizana mampiasa ny herin-tsaina sy ny herim-batana feno, nefa sady tsy manadino ireo zava-misy mandrakizay, izany no manan-danja ankehitriny. Katsaho amin-kafanam-po indrindra ny Tompo, mba hitomboanareo amin'ny fahadiovana sy amin'ny lafiny ara-panahy. Toy izany no hahazoanareo ny mari-pankasitrahana tsara indrindra mety hananan'ny olona iray — dia ny fankasitrahan'Andriamanitra.

Na be na kely ny talentanao, tsarovy fa izay anananao dia nankinina taminao fotsiny. Amin' izany no izahan'Andriamanitra toetra anao; omeny fahafahana ianao hanaporofo ny fahatokianao. (...) Ny fotoananao, ny herinao, ny fahaizana amam-pahalalanao — ireo rehetra ireo no tsy maintsy hanadinana anao eo anatrehan'Ilay nanome ny zava-drehetra. (...)

Vetivety foana dia ho voatory amin'izao tontolo izao ny hafatra momba Ilay Mpamonjy voahombo sy nitsangana tamin'ny maty ary ho avy tsy ho ela, raha miaraka amin'ny tafika toy izany, dia ireo tanorantsika miasa sy voaofana tsara! Hifarana tsy ho ela ny fahoriana sy ny alahelo ary ny fahotana! Handray ny lovany ny zanatsika, ho solon'ny fananana teto an-tany izay tratry ny aretim-pahotana mampanaintaina. "Ny marina handova ny tany ka honina ao aminy mandrakizay" - Sal. 37:29 – RH, 16 Mey 1912. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal