"Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana." - 1 Tim. 4:12.
Mofon’aina:
Izay rehetra manapa-kevitra hiandany amin'ny Tompo, ary nanao -izany tamim-piheverana tsara, dia efa nanomboka asa tsara. Kanefa, vao fiandohana fotsiny izany. Vao nirotsaka ho miaramila ao an-tafika izy ireo. Miandry azy ireo ny tolona sy ady. —Ms, 9, 1863.
Naseho ahy ny momba ny fakam-panahy mahazo ny tanora. Manaraka azy ireo i Satana, manao izay hamiliana ny tongony tsy mbola ampy fanandramana ho amin'ny lalan-diso. (...) Tsy miaro tena amin'ny fandriky ny devoly araka ny tokony ho izy izy ireo. Miambina sy mailo mandrakariva ny fahavalo, ary rehefa tsy miambina ny fony sy tsy miaro ny tenany ny tanora, dia mifehy azy ireo i Satana ary mampiasa hafetsena hamandrihana azy. Ny vavaka mangina no herin'ny Kristianina. Tsy afaka ny ho velona na hitombo ao amin'ny Tompo izy raha tsy miambina lalandava sy mitolona amim-bavaka. (...)
I Jesôsy no tokony hanolorantsika ny fitiavantsika, saingy hiezaka hisarika ny fitiavantsika i Satana hiala amin'ny zavatra any an-danitra, ka hametraka izany amin'ny zavatra tsy mendrika. (…)
Rehefa avela amin'izao tsy misy fifehezanany sain' ny tanora, diavoataona ho amin'ny fironan-dratsy efa ao aminy rahateo. Mihena ny fahamailoany sy ny fiambenany, ka manjary mifantoka amin'ny fifankatiavany izy samy izy, manana namana manokana, olona itokiana manokana izy, ary rehefa tafaraka ireo mpinamana ireo, dia tsy resahina akory ny amin'i Jesôsy . (...) Tsy fantany ny hafetsen'ny devoly, koa eo amin'ny faharoa ambin'ny folo, efatra ambin'ny folo, dimy ambin'ny folo, ary enina ambin'ny folo taonany izy ireo, dia efa mihevi-tena ho lehilahy sy vehivavy lehibe sahady, izay mahay mifidy ny lalany. — Ms, 10, 1863.
Malalan'i Jesôsy ny tanora. Maty Izy mba hamonjena azy ireo. (...) Oh, raha mba fantany mantsy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra azy! Maniry azy ireo ho tsara sy madio Izy (...), mba ho afaka hiara-monina mandrakizay amin'ireo anjely madio sy masina mandritra ny mandrakizay izy ireo. — Ms, 78, 1886.