Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vonona ny hihaona Aminy ve ny ankohonako?

Daty
Zoma 31 July 2026

 "Fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika." - 2 Pet. 1:11.

Mofon’aina:
Aoka ny ray aman-dreny handalina ny toko voalohany amin'ny Epistily faharoa nosoratan'i Petera. Ao no anehoana ny fahamarinana ara-Baiboly amin'ny endriny kanto indrindra. Mampianatra antsika izany fa ny fanandramana kristianina dia tokony ho fitomboana tsy mitsahatra, fandraisana lalandava fahasoavana sy fahendrena izay hanatanjaka ny toetra sy hanomana ny fanahy ho amin'ny fiainana mandrakizay. (...)

Tombontsoan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny miara-mitombo amin'ny fahasoavan'i Kristy. Izay rehetra manaraka ny fepetra napetraka ao amin'ny Teny dia hahazo izay rehetra ilainy ara-panahy sy hery handresena. (...) Ny andrasan'ny Tompo amin'ny ray aman-dreny dia ny hiezahan'izy ireo fatratra, amim-piraisan-kina, hanabe ny zanany ho Azy. Ao an-tokantrano no tokony hanolokoloan'izy ireo ny vokatry ny Fanahy, ka hanekeny Azy amin'ny lalany rehetra, Izy Izay nanome toky fa ho voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra isika, amin'ny alalan'ny fanamasinana avy amin'ny Fanahy. (...)

Moa ve ny vahoaka izay manana hafatra fehibe hotorina momba ny famonjena izao tontolo izao, tsy hanao ezaka mihitsy na hanao fa kely monja ho famonjena ireo olona izay tsy mbola niova fo ao amin'ny ankohonany? Hamela ny sainy hifantoka amin'ny zava-poana ye ny ray aman-dreny ka hanao tsirambina ilay fanontaniana manan-danja lehibe hoe: "Vonona hitsena ny Tompo ye ny ankohonako?" Ekeny ve ireo fahamarinan-dehibe izay fahamarinana ankehitriny ho an'izao andro farany izao, ka faniriany ny hielezan'izany hafatra izany any amin'ny firenena sy tany samy hafa, nefa ny zanany, izay fananany sarobidy indrindra, avelany amin'izao, tsy mahazo fampitandremana ny amin'ny loza mananontanona azy, ary tsy vonona hiatrika ny ho avy? Moa ve ireo izay nandray fahazavana tsara momba ny adidiny araka ny Tenin'Andriamanitra sy ny Fanahin'ny faminaniana, hamela ireo taona handalo fotsiny ka tsy hanao ezaka matotra hamonjena ny zanany? 

Miandry izay olombelona hiara-miasa Aminy i Kristy, mba hahafahany miasa ao am-pon'ny ankizy sy ny tanorantsika. - RH, 12 Oktobra 1911. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal