Vokatry ny fanomezan-danja be loatra ny olombelona mpitarika ny fitsitokotokoana ankapobeny. Mety hanimba ny firaisana eo anivon'ny fiangonana sy ny fahasalamana ara-panahin'ny mambra izany, satria ny fahadisoan-kevitra momba ny fanompoana kristianina dia mety hahatonga ny fiangonana hanome lanja tafahoatra ny mpitarika sasany, ka hanambany ny hafa. Mampisy rivo-piainana feno fifaninana, izay mety hampisara-bazana ny fiangonana, ny fihetsika toy izany. Ankoatra izany, raha ataontsika ivon'ny maha-kristianina antsika ny mpitarika, izay olombelona, dia i Kristy mihitsy no mety hesorintsika tsy ho eo amin'ny toerana tokony hisy azy eo amin'ny fiainantsika.
Vakio ny 1 Kor. 3:1-4. Ahoana no amaritan'i Paoly eto ny tsi-fahamatorana ara-panahin'ny Korintiana?
Nataon'i Paoly mazava tsara fa ny fahamatorana ara-panahy dia mitarika ny mpino hankasitraka ny fahendren'Andriamanitra (1 Kor. 2:6, 7), izay ampitaina amintsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina (1 Kor. 2:13), ary mifanohitra amin'ny fahendren'izao tontolo izao (1 Kor. 2:6) na ny fahendren'olombelona (1 Kor. 2:13). Naseho teo amin'ny hazofijalian'i Kristy ny fahendren'Andriamanitra (1 Kor. 2:1-4). Raha lazaina mazava kokoa, ny fahendren Andriamanitra dia voambara teo amin'ny fijalian'i Kristy, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty. Koa mialoha ny namerenany ny antsony ho amin'ny firaisana (1 Kor. 3:1-17), dia tian'i Paoly ny mpamaky ny epistiliny mba hiaiky fa mila ilay fahendrena sy fahamatorana marina ao amin'i Kristy.
Olona araka ny Fanahy no atao hoe Kristianina hendry sy matotra, fa tsy araka ny nofo, ary tsy mbola zaza (1 Kor. 3:1). Mampitaha ny zava-panahy amin'ny zava-panahy izy ireo, satria «izay an'ny Fanahin'Andriamanitra (...) dia araka ny Fanahy no amantarana azy» - 1 Kör. 2:13,14. Mihinana ventin-kanina, fa tsy ronono (1 Kor. 3:2; ampitahao amin'ny Heb. 5:12) ny Kristianina hendry sy matotra. Ny mpino izay «Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Heb. 5:13,14. Ny Kristianina hendry sy matotra dia tsy manao hoe: «Izaho an'i Paoly» na «Izaho an'i Apolosy» (1 Kor. 3:4), rehefa miresaka momba ny mpitarika samihafa.
Raha ny marina, "mpiara-miasa amin'Andriamanitra" tahaka azy ireo ihany ireny olona ireny (1 Kor. 3:9). Sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ary tempoliny isika, amin'ny maha-fiangonana antsika (1 Kor. 3:9,16,17). Isika rehetra dia an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy (1 Kor. 3:11).
Efa tratry ny fahadisoam-panantenana ve ianao noho ny olona iray izay nankasitrahanao fatratra? Raha efa niaina izany fanandramana izany ianao, inona no lesona noralsinao avy amin'izany?