"Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?"- Lio. 16:5
Mofon’aina:
Moa tsy fantatrareo fa (...) tsy tompon'ny tenanareo hianareo? Fa olom-boavidy hianareo."- 1 Ker. 6:19, 20. Endrey ny haben'ny vidiny naloa ho antsika! Banjino ny hazo fijaliana sy ilay Sorona nasandratra teo amboniny. Jereo ireo tanany nitsatohan'ny fantsika lozabe. Jereo ny tongony, nofantsihina tamin'ny rezatra teo amin'ny hazo. Nihatra tamin'ny Tenan'i Kristy ny fahotantsika. Izany fijaliana sy hirifiry izany no vidin'ny fanavotana anao. (...)
Ny fitiavan'Andriamanitra mahata-lanjona, izay aseho ao amin'i Kristy, no siansan'ny lanitra manontolo sy hirany. Tsy tokony hiteraka fankasitrahana sy fiderana ao am-pontsika ve izany? (...) Aoka tsy ho amin'ny teny ihany no hiderantsika Azy fa amin'ny fanokanantsika ho Azy ny momba antsika manontolo sy izay rehetra ananantsika koa.
Ohatrinona no trosan'ny Tompoko aminao? Tsy voaisanao izany. Moa ye misy ampahany amin'ny tenanao izay tsy navotany? Na fananana eo am-pelatananao izay tsy Azy? Raha mitaky izany Izy, moa ye hazoninao amim-pitiavan-tena ho toy ny fanananao izany? Harovanao Aminy ye izany ka hampiasainao ho amin-javatra hafa ankoatra ny famonjem-panahy? Amin'izany no mahatonga fanahy an'arivony maro ho very.
Moa ye misy fomba tsara kokoa hanehoantsika ny fankasitrahana ny sorona nataon'Andriamanitra sy ny fanomezana lehibe natolony an'izao tontolo izao mihoatra noho ny fitondrantsika fanomezana sy fanatitra, arahin'ny fiderana sy ny fankasitrahana, noho ny amin'ny fitiavana lehibe izay nitiavany antsika? (...)
Andeha isika hiandrandra ny lanitra amim-panetren-tena, ka hanolotra ny tenantsika ho an'Andriamanitra tahaka ny mpanompo. (...) Rehefa mijoro manoloana ny hazo fijalian'i Kalvary sy ny Zanak'Ilay Andriamanitra mandrakizay izay nohomboana ho anao ianao, aoka ho izao no fangatahana miloatra avy ao am-ponao: "Tompo o! Inona no tianao hataoko?" Efa nilaza taminao Izy hoe: "Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin.'ny olombelona rehetra."- Mar. 16:15. Rehefa ho hitanao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ireo fanahy maro izay novonjena tamin'ny alalan'ny fanomezana sy ny fanompoana nataonao, dia ho faly ianao satria nanana tombontsoa nanao izany asa izany. (...) Ny hery izay nomena ireo apostoly fahizay ihany no homena koa ireo izay vonona hanao ny asan'Andriamanitra."- Ms, 139, 1898.