Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny trosantsika

Daty
Alatsinainy 03 August 2026

"Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?"- Lio. 16:5

Mofon’aina:
Moa tsy fantatrareo fa (...) tsy tompon'ny tenanareo hianareo? Fa olom-boavidy hianareo."- 1 Kor. 6:19, 20. Endrey ny haben'ny vidiny naloa ho antsika! Banjino ny hazo fijaliana sy ilay Sorona nasandratra teo amboniny. Jereo ireo tanany nitsatohan'ny fantsika lozabe. Jereo ny tongony, nofantsihina tamin'ny rezatra teo amin'ny hazo. Nihatra tamin'ny Tenan'i Kristy ny fahotantsika. Izany fijaliana sy hirifiry izany no vidin'ny fanavotana anao. (...)

 Ny fitiavan'Andriamanitra mahatalanjona, izay aseho ao amin'i Kristy, no siansan'ny lanitra manontolo sy hirany. Tsy tokony hiteraka fankasitrahana sy fiderana ao am-pontsika ve izany? (...) Aoka tsy ho amin'ny teny ihany no hiderantsika Azy fa amin'ny fanokanantsika ho Azy ny momba antsika manontolo sy izay rehetra ananantsika koa.

Ohatrinona no trosan'ny Tompoko aminao? Tsy voaisanao izany. Moa ve misy ampahany amin'ny tenanao izay tsy navotany? Na fananana eo am-pelatananao izay tsy Azy? Raha mitaky izany Izy, moa ve hazoninao amim-pitiavan-tena ho toy ny fanananao izany? Harovanao Aminy ye izany ka hampiasainao ho amin-javatra hafa ankoatra ny famonjem-panahy? Amin'izany no mahatonga fanahy an'arivony maro ho very.

Moa ve misy fomba tsara kokoa hanehoantsika ny fankasitrahana ny sorona nataon'Andriamanitra sy ny fanomezana lehibe natolony an'izao tontolo izao mihoatra noho ny fitondrantsika fanomezana sy fanatitra, arahin'ny fiderana sy ny fankasitrahana, noho ny amin'ny fitiavana lehibe izay nitiavany antsika? (...)

Andeha isika hiandrandra ny lanitra amim-panetren-tena, ka hanolotra ny tenantsika ho an'Andriamanitra tahaka ny mpanompo. (...) Rehefa mijoro manoloana ny hazo fijalian'i Kalvary sy ny Zanak'Ilay Andriamanitra mandrakizay izay nohomboana ho anao ianao, aoka ho izao no fangatahana miloatra avy ao am-ponao: "Tompo o! Inona no tianao hataoko?" Efa nilaza taminao Izy hoe: "Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin.'ny olombelona rehetra."- Mar. 16:15. Rehefa ho hitanao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ireo fanahy maro izay novonjena tamin'ny alalan'ny fanomezana sy ny fanompoana nataonao, dia ho faly ianao satria nanana tombontsoa nanao izany asa izany. (...) Ny hery izay nomena ireo apostoly fahizay ihany no homena koa ireo izay vonona hanao ny asan'Andriamanitra."- Ms, 139, 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal