Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampiasa ny talenta ho an'Andriamanitra

Daty
Alarobia 05 August 2026

"Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany; koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray-samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy."- Mat. 25:14, 15

Mofon’aina:
Ny fanoharana momba ny talenta dia mihatra manokana amin'ny olona tsirairay: ny lehilahy, ny vehivavy ary ny ankizy izay manana fahafahana misaina. (...) Rehefa niantso ireo mpanompony ny tompon-trano, dia samy nomeny asa ny tsirairay. Nomena andraikitra hampiasa ireo fananan'ny Tompony ny ankohonan'Andriamanitra manontolo. (...) Ny fahaiza-manao ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana, ny hery miasa mangina, ny toerana misy ny olona sy ny fananany, ny fitiavana ary ny fangorahana — ireo rehetra ireo dia talenta sarobidy tokony hampiasaina ho amin'ny asan'ny Tompo, ho famonjena ireo fanahy izay nanoloran'i Kristy ny ainy.

Endrey, vitsy tokoa no mankasitraka ireo fitahiana ireo! Vitsy no miezaka hanatsara ny talentany sy mampitombo ny soa entiny ho an'izao tontolo izao! Ny Tompo (...) dia nanome ny tsirairay araka ny fahaiza-manao ananany avy, ary nanankina adidy taminy arakaraka izany. (...) Aoka ny mpandraharaha hanao ny asany amin'ny fomba izay manome voninahitra ny Tompony noho ny fahatokiany. Aoka izy hitondra ny finoany eo amin'izay rehetra ataony ary haneho amin'ny olona ny toe-tsain'i Kristy. 

Ireo izay nahazo talenta betsaka kokoa dia tsy tokony hanamaivana ny lanjan'ny asa ataon'ireo izay kely kokoa ny fanomezam-pahasoavana ananany. Na dia ny fanomezana kely indrindra aza dia avy amin'Andriamanitra. Miaraka amin'ny fitahian'Andriamanitra, dia hitombo avo roa heny ny talenta iray ampiasaina amim-pahazotoana, ary ho tonga efatra ireo talenta roa ampiasaina amin'ny fanompoana an'i Kristy. Amin'izany no hitomboan'ny mpiasa tsotra indrindra amin'ny hery sy hahatonga azy hahasoa kokoa ny Tompony.

Ny finiavana lalina sy ny ezaka arahim-pandavan-tena dia hitan'Andriamanitra any an-danitra avokoa, ary ankasitrahany. (...) Ampiasao amim-pahalemem-panahy sy amim-panetren-tena ary amim-pinoana (...) ny fanomezam-pahasoavana anananao, ary miandrasa ny andro fitsarana; ainin'izay dia tsy hanana antony halahelovana na hahatsapana henatra ianao.- RH, 26 Oktobra 1911. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal