Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampiasa ny talenta ho an'Andriamanitra

Daty
Alarobia 05 August 2026

"Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany; koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray-samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy."- Mat. 25:14, 15

Mofon’aina:
Ny fanoharana momba ny talenta dia mihatra manokana amin'ny olona tsirairay: ny lehilahy, ny vehivavy ary ny ankizy izay manana fahafahana misaina. (...) Rehefa niantso ireo mpanompony ny tompon-trano, dia samy nomeny asa ny tsirairay. Nomena andraikitra hampiasa ireo fananan'ny Tompony ny ankohonan'Andriamanitra manontolo. (...) Ny fahaiza-manao ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana, ny hery miasa mangina, ny toerana misy ny olona sy ny fananany, ny fitiavana ary ny fangorahana — ireo rehetra ireo dia talenta sarobidy tokony hampiasaina ho amin'ny asan'ny Tompo, ho famonjena ireo fanahy izay nanoloran'i Kristy ny ainy.

Endrey, vitsy tokoa no mankasitraka ireo fitahiana ireo! Vitsy no miezaka hanatsara ny talentany sy mampitombo ny soa entiny ho an'izao tontolo izao! Ny Tompo (...) dia nanome ny tsirairay araka ny fahaiza-manao ananany avy, ary nanankina adidy taminy arakaraka izany. (...) Aoka ny mpandraharaha hanao ny asany amin'ny fomba izay manome voninahitra ny Tompony noho ny fahatokiany. Aoka izy hitondra ny finoany eo amin'izay rehetra ataony ary haneho amin'ny olona ny toe-tsain'i Kristy. 

Ireo izay nahazo talenta betsaka kokoa dia tsy tokony hanamaivana ny lanjan'ny asa ataon'ireo izay kely kokoa ny fanomezam-pahasoavana ananany. Na dia ny fanomezana kely indrindra aza dia avy amin'Andriamanitra. Miaraka amin'ny fitahian'Andriamanitra, dia hitombo avo roa heny ny talenta iray ampiasaina amim-pahazotoana, ary ho tonga efatra ireo talenta roa ampiasaina amin'ny fanompoana an'i Kristy. Amin'izany no hitomboan'ny mpiasa tsotra indrindra amin'ny hery sy hahatonga azy hahasoa kokoa ny Tompony.

Ny finiavana lalina sy ny ezaka arahim-pandavan-tena dia hitan'Andriamanitra any an-danitra avokoa, ary ankasitrahany. (...) Ampiasao amim-pahalemem-panahy sy amim-panetren-tena ary amim-pinoana (...) ny fanomezam-pahasoavana anananao, ary miandrasa ny andro fitsarana; ainin'izay dia tsy hanana antony halahelovana na hahatsapana henatra ianao.- RH, 26 Oktobra 1911. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal