Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sarobidy ny andro tsirairay

Daty
Sabotsy 08 August 2026

 "Fantatr 'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; ary ny lovany ho mandrakizay."- Sal. 37:18

Mofon’aina:
Sarobidy tokoa ny talentan'ny fotoana. Ankinina amintsika isan'andro izany ary hampa-moahin'Andriamanitra ny amin'izany isika.- Ms, 15, 1898.

Tsy maintsy hofanina sy ampianarina ary beazina isan'andro isika mba hahasoa ny hafa eto amin'izao fiainana izao. Andro iray isan'andro ihany no ananantsika, saintsaino izany. Ny anio ihany no ahy. Hampiasa ny talentan'ny fiteny aho mba ho fitahiana ho an'ny hafa, ho mpanampy sy mpampionona ary ohatra hankasilrahan'ilay Tompo Mpamonjiko. Hianatra ny faharetana aho, ny fahalemem-panahy sy ny fandeferana, mba hitombo ao anatiko ;reo toetra kristianina.- L, 36, 1901.

Raha mihavana amin'Andriamanitra i anao anio dia ho vonona raha tonga mio i Kristy. I Kristy, fanantenan'ny roninahitra, mitoetra ao anaty no ilaintsika. Ny fitafianao tranainy sy rovitra - ny fanamarinan-tena - dia tsy hahazoanao miditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa ny fitafiana voatenon'ny fanenoman'ny lanitra kosa — ny fahamarinan'i Jesosy Kristy — no hahafahanao miditra any. (...) Sarobidy lavitra noho ny tombontsoa rehetra araka izao tontolo izao izany; ary sarobidy mihoatra ny haja amam-boninahitra mety hatolotry ny olombelona mety maty ho anao. (...)

Moa ve ny tsirairay avy amintsika miomana isan'andro mba hikambana amin'ny ankohonan'ny lanitra? Mifanditra ye ianareo? Mitady ny tsiny eo amin'ireo ankohonanao ye ianao? Raha izany, dia hahita tsiny eo amin'izy ireo ianao na any an-danitra aza. Amin' izao fiainana izao no izahan-toetra anao, mba hahitana raha toa ianao ho olom-pirenena tia fihavanana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra any an-danitra. (...)

Anio no tsy maintsy hiambenantsika mba tsy hanao teny na asa manafintohina ny hafa. Anio isika no tokony hidera sy hanome voninahitra an'Andriamanitra. Ny fanehoantsika finoana velona anio no hoentintsika mandresy ny fahavalo. Anio isika no tsy maintsy mitady an'Andriamanitra sy manapa-kevitra fa tsy ho afa-po raha tsy eo amin'ny fanatrehany. Tokony hiambina sy hiasa ary hivavaka isika, ka hanao izany toy ny hoe anio no andro farany ahavelomantsika. Ho feno fanoloran-tena sy fahitsiana manao ahoana ny fiainantsika amin'izay! (...)- TFC, b. 5, t. 200. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal