Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Samy amin'ny toerany avy

Daty
Alahady 09 August 2026

 Amin’ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona."- Efes. 6:7

Mofon’aina:
Fantatry ny Tompo tsara ny tsirairay avy amintsika. Ny olona rehetra teraka eto an-tany dia samy nomena asa hatao, mba hahatonga izao tontolo izao ho tsara kokoa. (...) Samy manana ny sehatra iasany ny tsirairay, ary raha ataontsika Mpanolo-tsaina Andriamanitra, dia tsy hanohitra ny Sitrapony ny asantsika. Izy no manendry toerana sy asa ho an'ny tsirairay; ary raha manaiky hotarihin'ny Tompo isika, na dia toa misafotofoto sy sarotra aza ny fahitantsika ny fiainana, dia misy fikasan'Andriamanitra ao ambadik'izany rehetra izany. Koa rehefa manaiky sy milefitra eo am bani n'ny fahendren'Anciri am anitra ny olombelona, dia ho tanteraka ny fikasan'Andriamanitra. (...)

Tsy araka izay nokendren' Andriamanitra ny fiainana misy amin'izao fotoana izao, izany no mampisy toe-javatra maro mahavery hevitra; be koa ny zava-mandreraka sy mampifanditra ny olona. Ny lehilahy na ny vehivavy izay miala amin'ny toerana nomen'Andriamanitra azy mba handeha araka ny fironany sy hanatanteraka ny drafiny manokana dia ho tojo fahadisoam-panantenana, satria ny lalany no nofidiny fa tsy ny an'Andriamanitra. (...)

Ny Raintsika any an-danitra no Mpanapaka antsika, ka tsy maintsy milefitra amin'ny fitsipiny isika. Anisan'ny ankohonany isika ary manan-jo ny hotompointsika Izy. Raha misy ao amin'ny ankohonany mihizingizina hanao izay sitrapon'ny tenany ihany na izay mahafaly ny tenany, dia hitondra fikorontanana izany toe-tsaina izany. Tsy tokony hikatsaka ny sitrapontsika manokana isika, fa ny sitrapon'Andriamanitra. (...)

Avelao Andriamanitra hiteny amintsika, ary isika kosa hanao hoe: "Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao."- Lio. 22:42 - L, 6, 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal