Amin’ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona."- Efes. 6:7
Mofon’aina:
Fantatry ny Tompo tsara ny tsirairay avy amintsika. Ny olona rehetra teraka eto an-tany dia samy nomena asa hatao, mba hahatonga izao tontolo izao ho tsara kokoa. (...) Samy manana ny sehatra iasany ny tsirairay, ary raha ataontsika Mpanolo-tsaina Andriamanitra, dia tsy hanohitra ny Sitrapony ny asantsika. Izy no manendry toerana sy asa ho an'ny tsirairay; ary raha manaiky hotarihin'ny Tompo isika, na dia toa misafotofoto sy sarotra aza ny fahitantsika ny fiainana, dia misy fikasan'Andriamanitra ao ambadik'izany rehetra izany. Koa rehefa manaiky sy milefitra eo am bani n'ny fahendren'Anciri am anitra ny olombelona, dia ho tanteraka ny fikasan'Andriamanitra. (...)
Tsy araka izay nokendren' Andriamanitra ny fiainana misy amin'izao fotoana izao, izany no mampisy toe-javatra maro mahavery hevitra; be koa ny zava-mandreraka sy mampifanditra ny olona. Ny lehilahy na ny vehivavy izay miala amin'ny toerana nomen'Andriamanitra azy mba handeha araka ny fironany sy hanatanteraka ny drafiny manokana dia ho tojo fahadisoam-panantenana, satria ny lalany no nofidiny fa tsy ny an'Andriamanitra. (...)
Ny Raintsika any an-danitra no Mpanapaka antsika, ka tsy maintsy milefitra amin'ny fitsipiny isika. Anisan'ny ankohonany isika ary manan-jo ny hotompointsika Izy. Raha misy ao amin'ny ankohonany mihizingizina hanao izay sitrapon'ny tenany ihany na izay mahafaly ny tenany, dia hitondra fikorontanana izany toe-tsaina izany. Tsy tokony hikatsaka ny sitrapontsika manokana isika, fa ny sitrapon'Andriamanitra. (...)
Avelao Andriamanitra hiteny amintsika, ary isika kosa hanao hoe: "Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao."- Lio. 22:42 - L, 6, 1894.