Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho ny fltiavan'l Kristy

Daty
Talata 11 August 2026

"Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin 'ny fanomezam-boninahitra."- Rem. 12:10

Mofon’aina:
Tsy tokony hifantoka amin'ny tenantsika isika ka hanadino ny   adidy andrasan'Andriamanitra sy ny hafa amintsika. (...) Tian'Andriamanitra ho tsara fanahy kokoa isika, ho maha-te ho tia kokoa, tsy ho mpitsikera na fatra-piahiahy ny hafa. Enga anie isika rehetra hanana ny Fanahin'i Kristy, ka hahalala ny fomba hitondrana ny rahalahintsika sy ny mpiara-monina amintsika! (…)

Tsy maintsy manadino ny "izaho" izay manompo ny hafa amim-pitiavana. (...) Mety tsy hotsaroantsika ireo asa tsara sasany nataontsika (...), nefa any amin'ny mandrakizay no hanehoana amin'ny famirapiratany rehetra ny asa tsirairay natao ho famonjem-panahy, ny teny rehetra nampiononana ny zanak'Andriamanitra, ary ireny asa natao ho an'i Kristy ireny no ho isan'ny fifaliantsika mandrakizay.

Rehefa maneho toetra mifanohitra amin'ny hatsaram-panahy sy ny fanajana amin'ny rahalahintsika isika, dia mandeha amin'ny lalana izay tsy nosoritan'i Kristy. Tokony haneho fahalalam-pomba isika ao an-tokantrano, any am-piangonana, ary eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny olona rehetra. Ary indrindra indrindra, tokony haneho fangorahana sy fanajana amin'ireo izay manolotra ny fiainany ho an'ny asan'Andriamanitra isika. (...) Hisy fitiavana mamy ao amin'ny fo anjakan'i Jesosy ka ho malemy fanahy sy marina amin'ny namantsika isika. (...)

Aoka tsy hisy hirika hanomezan'ny olona tsiny anao. Ny fahatezerana vetivety, ny valinteny mahery iray monj a, nytsy fisian'ny fahalalam-pomba sy ny fahalemem-panahy kristianina eo amin'ny raharaha madinika dia mety hiteraka fahaverezan'ny namana sy ny hery miasa mangina ananantsika. Tian'Andriamanitra raha miseho amin'ny fisehoana tsara indrindra ianao amin'ny toe-javatra rehetra — na eo anatrehan'ireo izay ambany noho ianao na eo anatrehan'ireo mitovy aminao na izay ambony noho ianao. Tokony ho mpanara-dia an'i Kristy amin'ny fotoana rehetra isika, mikendry ny hanome voninahitra Azy sy ny haneho Azy araka ny tokony ho izy amin'ny lafiny rehetra. (...)

Aoka ho takona ny "izaho", ary aoka i Jesosy no haseho ho maha-te ho tia indrindra. Ny hiaina ho voninahiny no tokony hokatsahintsika fa tsy ny hahazo ny fideran'olombelona.- RH, 24 Febroary 1891. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal