Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandresy ny fitiavan-tena

Daty
Alakamisy 13 August 2026

"Dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy."- 2 Kor. 10:33

Mofon’aina:
Fon'olona maro no itoeran'ny fitiavan-tena izay miraikitra aminy toy ny habokana. (...) Ny eritreriny sy ny drafiny ary ny ezaka ataony dia ho an'ny tenany ihany. (...) Tokony ho tsapany sy horeseny izany fitiavan-tena izany, satria fahotana lehibe eo imason'Andriamanitra. Ilain'ireny fanahy ireny ny haneho fahalianana bebe kokoa amin'ny taranak'olombelona, amin'izany no hampanakaikezany ny fony amin'i Kristy ka ho vonton'ny Fanahiny izy ireo. Hifikitra mafy amin'i Kristy izy ka tsy hisy na inona na inona hahasaraka azy amin'ny Fitiavany.- RH, 13 Jolay 1886.

Ny olona manana fanandramana tsy mahatsiriritra indrindra dia izay manidy ny fangorahany ao am-pony ihany. Ireo izay mandray mba hizara no mahazo ny tsara indrindra eo amin'ny fiainana sy mahatsapa fifaliana tena izy. Mahatsapa fahabangana mandrakariva ireo izay tsy miaina afa-tsy ho an'ny tenany, satria tsy mba mety afa-po. Tsy toetra kristianina ny tsy fanehoana fangorahana sy firaisam-po. Tokony hitondra fahazavana sy fitahiana eo  amin'ny fiainan'ny hafa isika. Nifidy antsika Andriamanitra, ho fantsona hampita ny fitahiany amin'ny hafa.-Ms, 99, 1902.

 Ho avy ny andro izay hampivembena ny tany ka ho voahetsika tahaka ny trano rantsan-kazo izy. Kanefa ny eritreritry ny mpanompon'Andriamanitra sy ny fikasany ary ny asany, na dia tsy hita ankehitriny aza, dia hiseho amin'ilay andro lehibe fitsarana sy famalian-tsoa. Ireo zavatra hadino ankehitriny dia hijoro ho vavolombelona, na hanamarina na hanameloka.

Tsy very na oviana na oviana ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy ary ny fahafoizan-tena. Rehefa hovana hitafy tsy fahafatesana ireo voafidin'Andriamanitra, dia haseho miharihary ny teny sy ny asa tsara nataon'izy ireo, ary hotehirizina mandritra ny mandrakizay. Tsy misy asa fanompoana tsy mitady valiny, na dia kely sy tsotra aza, ho very. Amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy izay omena antsika no hitehirizana mandrakizay ny hanitry ny teny sy ny asa toy izany.- RH, 10 Marsa 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal