"Fa ny fitiavan Kristy no manery anay."- 2 KOr. 5:14
Mofon’aina:
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin 'ireo."- 1 Kor. 13:13.
Teo amin'ny fiainan'i Kristy no nisehoan'izany fitiavana izany tamin'ny fomba lavorary. Tiany isika na dia tao anatin'ny fahotantsika sy ny fahalementsika aza. Nidina hatrany amin'ny fahoriana lalina indrindra Izy mba hanandratana ireo zanakalahy sy zanakavavin'ny tany izay mania. Tsy nety ritra ny faharetany na nihena ny hafanam-pony. Ny onjan'ny famindram-po, na dia nolavin'ny fo miavonavona sy tsy mibebaka ary tsy mankasitraka aza, dia niverina hatrany tamin'ny herin'ny fitiavana lehibe kokoa.
{...) Tsy tokony ho mangatsiaka na tsy rototra isika, indrindra manoloana ny mahantra. Tokony hanehoantsika fanajana sy fitiavana ary fangorahana ny olona rehetra. Tsy sitrak'Andriamanitra ny fitongilanantsika ho amin'izay manan-karena. Atao tsinontsinona i Jesosy rehefa atao tsinontsinona ireo zanany mahantra. Tsy manana ny haren'ny tany izy ireny, saingy sarobidy ho an'ny Fony be fitiavana. (...) Amin'ny andron'ny fitsarana farany ny laharam-boninahitra sy ny saranga na ny harena dia tsy hanova na inona na inona amin'ny anjara miandry ny olona iray. Hitsara ny olona rehetra araka ny fahadiovany sy ny fahambonian-toetrany ary ny fitiavany an'i Kristy Ilay Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra.
Nambaran'i Kristy fa tokony hotorina amin'ny mahantra ny filazantsara. Tsy misy fomba maha-te ho tia indrindra anehoana ny faha-marinan ' Andriamanitra mihoatra noho ny fitoriana izany amin'ireo mahantra sy fadiranovana. Amin' izany no amirapiratan'ny fahazavan'ny filazantsara ka hanazavany ny tranobongon'ny tantsaha sy ny tranokelin'ny mpiasa. Eo ny anjelin' Andriamanitra, ary ny fanatrehan'izy ireo no mahatonga ny sombi-mofo sy ny rano iray kaopy ho hanim-py. Ireo izay nataon'izao tontolo izao tsinontsinona sy nihatahany dia atsangana ho zanakalahy sy zanakavavin'ny Avo Indrindra. Asandratra any amin'ny toerana ambony noho izay azon'izao tontolo izao omena izy ireo, mipetraka any amin'ny fitoeran'ny lanitra ao amin'i Kristy Jesosy. Mety tsy ananany ny haren'ny tany, saingy hitany kosa ilay vatosoa sarobidy indrindra.- RH, 21 Jolay 1910.