Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asandratr’Andriamanitra ny manetry tena

Daty
Sabotsy 22 August 2026

 "Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra."- Lio. 14:11

Mofon’aina:
Manome voninahitra ireo izay mietry eo anatrehany Andriamanitra. Raha kivy noho ny fitarainana sy ny fimo-nomononan'ny vahoaka izay notarihiny ho any amin'ny tany nampanantenaina i Mosesy, dia nitalaho tamin'Andriamanitra mba homeny antoka ny amin'ny Fanatrehany (...). Ary hoy ny Tompo: "Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho." Eks. 33:14.

Nahazo hery avy tamin'ny toky momba ny fanatrehan'Andriamanitra i Mosesy, nefa vao mainka izy nanakaiky kokoa no sady nangataka tamim-pahasahiana fitahiana ambony kokoa: "Mbo ampahitao ny voninahitrao aho."- and. 18. Tsy fahalianana tsy misy tanjona no nanaovan'i Mosesy izany fangatahana izany, hitany fa tsy mahay manao asa hankasitrahan' Andriamanitra izy raha amin'ny heriny samirery. Fantany fa raha mahita mazava ny voninahitr'Andriamanitra izy, dia afaka hanohy ny iraka lehibe napetraka taminy, tsy amin'ny heriny fa amin'ny herin'Ilay Andriamanitra Tsitoha. (...) Tsy fitiavan-tena no nanosika an'i Mosesy hangataka ny hahita ny voninahitr'Andriamanitra; faniriana ny hanome voninahitra bebe kokoa ny Mpanao azy no hany tao anatiny.

Fantatr'Andriamanitra ny fisainana sy ny fikasan'ny fontsika, ary takany ny antony nanosika ity mpanompony mahatoky hanao izany fangatahana izany. (...) "Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana."- Eks. 34:6.

Nanana fanetren-tena marina i Mosesy, ary nankasitraka azy ny Tompo tamin'ny fampisehoany taminy ny Voninahiny. Toy izany koa no hanomezany voninahitra izay rehetra manompo Azy amin'ny fo tsy misy tsiny, tahaka an'i Mosesy. Tsy takiany ny hiasan'ny mpanompony amin'ny herin'izy ireo samirery. Izy no hanome ny fahendrena ilain'ireo izay manana fo mietry sy torotoro. (...) Tsy misy eto amin'izao tontolo izao afaka manisy ratsy ireo olona omem-boninahitra amin'ny firaisany ety amin'Andriamanitra. Mety hihorohoro ny tany, ary mety hihozongozona ireo andry mihazona izao tontolo izao, nefa tsy misy tokony hatahorany.- RH, 11 Mey 1897. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal