"Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalana manohitra izany."- Gal. 5:22, 23
Mofon’aina:
Tzao ny zavatra tokony himasoantsika indrindra: "Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana." Raha manana ny fitiavan'i Kristy ao am-pontsika isika, dia hananantsika ho azy ireo toetra tsara hafa rehetra (...). Ny lalan'Andriamanitra dia tsy manameloka na manandevo ireo izay manana ireo toetra tsara ireo, satria mankate ireo fitakian'ny didy izy ireo. ( ...)
Tokony hanana fitiavana isika, ary mifandray amin'izany ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny fahari-po sy ny fahalemem-panahy. Hitantsika fa tsy manam-pitsaharana izao tontolo izao, ary tsy mety afa-po. Maniry izay tsy ananany izy ireo. (...) Fa ho an'ny Kristianina kosa, dia misy fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; ary mba handraisana izany no anokafantsika ny varavaran'ny fontsika (...). Tsy misy afaka manao izany ho an'ny namany. (...) Ny tsirairay no tsy maintsy miasa sy miezaka mba handraisany ny fahasoavan'Andriamanitra ao am-pony. Tsy azoko atao ny mamolavola toetra ho anao, ary tsy azonao atao ho ahy izany. Samy natao hiantsoroka ny andraikiny ny tsirairay, na ny tanora na ny antitra.- RH, 4 Janoary 1887.
Hoy i Kristy: "Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, Eny, not ny tena volamena airy any Ofira aza.' - Isa. 13:12. Amin'ny fomba ahoana? Amin'ny fanolokoloana ireo toetra feno fahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina: ny fitiavana, ny fifaliana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny fanaovan-tsoa, ny fahamarinana, ny fahalemem-panahy, ny fahononam-po. (...) Isika rehetra no mila ireo toetra tsara feno fahasoavana avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra ireo ao am-pontsika.- RH, 21 Desambra 1887.
Raha mitoetra ao am-po ny fitiavan' i Kristy, dia toy ny hanitra mani-pofona izay tsy azo afenina izany. Ny hery miasa mangina feno fahamasinana avy am iny no ho hitan'ny rehetra eo toetrantsika. Ho ao anatintsika i Kris: "Izay fanantenana ny voninahitra."- RH, 4 Janoary 1887.