Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fifaliana madio 

Daty
Alarobia 26 August 2026

"Ny fitahian 'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany."- Ohab. 10:22.

Mofon’aina:
Ny fifalian'ny Kristiana dia avy amin'ny fiheverana ireo fitahian-dehi be raisintsika amin'ny maha-zanak'Andriamanitra antsika. Ny fahazavana feno fifalian'ny saina sy ny tempolin'ny fanahy, noho ny fahazoana antoka fa mihavana amin'Andriamanitra isika, no fifaliana tsy arahin'alahelo. Toy izany koa ny fanantenantsika momba ny fiainana mandrakizay ao amin'i Kristy ary ny fahafinaretana amin'ny fitondrana fitahiana ho an'ny hafa.

Ireo izay mampanaram-po ny vazivazy sy ny fifaliana tsy misy antony avy amin'ny fanandramana ivelambelany sy maivan-danja, dia tsy manana fanorenana mafy sy marina ho an'ny fanantenana sy ny fifaliana ao amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny finoana ny fahamarinana. (...) Mandeha ny fotoana, antomotra ny farany, kanefa izy ireo tsy mba nametraka fototra tsara ho an'ny hoavy mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Tsy tokony hampirisika izany fifaliana izany isika, satria tsy ahafaha-mandinika izany, ary manorina fahazarana hanao resaka tsy misy antony, izay mampalahelo ny Fanahin'Andriamanitra no sady manakana antsika tsy hibanjina ny lanitra sy ny zavatra any ambony. (...)-L, 28, 1897.

Tsy izay manodidina antsika no tena mahasambatra antsika, fa izay ao anatintsika. Tsy izay ananantsika no mitondra fifaliana, fa ny maha-isika antsika. Aoka hisy afom-pifaliana eo amin'ny alitaran'ny fontsika, dia ho hitantsika fa mahafaly ny zavatra rehetra. Azontsika atao ny hanana ny fiadanan'i Kristy. (...) Raha mankato sy matoky an'Andriamanitra isika, toy ny ataon'ny zaza izay mora matoky ny ray aman-dreniny, dia hanana fiadanana —tsy toy ny fiadanana omen'izao tontolo izao izany, fa ilay fiadanana izay atolotr ' i Jesosy. (...) Betsaka ny hatsarana sy famirapiratana eto amin'izao fiainana izao raha toa isika manangona ireo voninkazo fa tsy mandray ireo tsilo sy zava-manindrona.- L, 27, 1886.

Raiso ho ao amin'ny fiainanao ny fifalian'ny lanitra. Ny fahazavan'ny lanitra, izay hita taratra amin'ny hatsaran-tarehiny eo amin'ireo izay miomana ny hafindra any an-danitra, no mitondra fifaliana ho an'ny ankohonan'Andriamanitra.- L, 131, 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal