Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toerana anjakan'ny fiainam-pahamasinana

Daty
Alatsinainy 15 April 2024

 "Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga." - 1 Pet. 2:9. 

Mofon’Aina:
Eo anivon'ny haizina ara-pitondran-tena sy ao anatin'ny tontolo mpanitsakitsaka ny laIàn'i Jehôvah ny fiangonan' i Kristy. Nefa ilay Mpanavotra azy - Izay nividy azy ireo tamin'ny rany sarobidy — dia efa nanao ny fomba rehetra mba hahatonga ny fiangonana ho "tena iray" voaova, hazavain'llay Fahazavan' izao tontolo izao, Izay manana ny voninahitr'i Imanoela. Ary ny tanamasoandron'ny Fahamarinana izay mamirapiratra amin'ny alalan'ny fiangonany, dia hamory ho ao am-balany ny ondry rehetra very sy nania, izay hahita fialofana ao Aminy. Hahita fiadanana sy fahazavana ary fifaliana izy ireo ao Aminy — Ilay fiadanana sy fahamarinana mandrakizay. 
Tokony hotehirizin’ny mambra tsirairain'ny fiangonana hamirapiratra mandrakariva ao amin’ny fanahiny ny fahazavan'ny fitiavan’Andriamanitra mba hiampitan'izany any amin’ny hafa koa. Zava-manan-danja loatra no voafaoka ao anatin' izany ka tsy azontsika atao ny ho resin'ny torimasom-panahy. Aoka isika hitandrina tsy hanjary feno fahasorenana eo am-panaovana asa fanompoana na adidy ara-pivavahana. Andeha isika hiady mafy amin'io torimasom-panahy io izay zava-doza tokoa ho an'ny fitomboan'ny Kristianina sy ho an'ny ainy mihitsy aza. Ho salama sy miroborobo ny fiangonana izay manana mambra mavitrika sy manao ezaka manokana mba hanasoa ny hafa sy hamonjy fanahy. Handrisika ny asa tsara rehetra izany. (...) Hanaitra ny hery rehetra matoritory izany, hanam-pahavononana tsy azo hozongozonina ny fanahy mba hahazoany ny teny fankasitrahana avy amin'ny Mpamonjy hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky," sy hisatrohany ny satroboninahitry ny mpandresy. 
Ataon'i Kristy tempoly tsara tarehy ho an'Andriamanitra ny fiangonana. "Fa na aiza na aiza iangonan'ny roa na telo amin'ny Anarako", hoy Izy, "dia ho eo afovoany Aho." - Mat. 18:20. Ny fiangonany no toerana anjakan'ny fiainam-pahamasinana, izay feno fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina. Samy omen'ny lanitra andraikitra tandrify azy ny mambra tsirairain'ny fiangonana eto an-tany, ary natao hahita fahasambarana avy amin'ny fahasambaran'ireo izay ampiany sy tahiany izy rehetra." OHC, t. 164. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal