Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toerana anjakan'ny fiainam-pahamasinana

Daty
Alatsinainy 15 April 2024

 "Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga." - 1 Pet. 2:9. 

Mofon’Aina:
Eo anivon'ny haizina ara-pitondran-tena sy ao anatin'ny tontolo mpanitsakitsaka ny laIàn'i Jehôvah ny fiangonan' i Kristy. Nefa ilay Mpanavotra azy - Izay nividy azy ireo tamin'ny rany sarobidy — dia efa nanao ny fomba rehetra mba hahatonga ny fiangonana ho "tena iray" voaova, hazavain'llay Fahazavan' izao tontolo izao, Izay manana ny voninahitr'i Imanoela. Ary ny tanamasoandron'ny Fahamarinana izay mamirapiratra amin'ny alalan'ny fiangonany, dia hamory ho ao am-balany ny ondry rehetra very sy nania, izay hahita fialofana ao Aminy. Hahita fiadanana sy fahazavana ary fifaliana izy ireo ao Aminy — Ilay fiadanana sy fahamarinana mandrakizay. 
Tokony hotehirizin’ny mambra tsirairain'ny fiangonana hamirapiratra mandrakariva ao amin’ny fanahiny ny fahazavan'ny fitiavan’Andriamanitra mba hiampitan'izany any amin’ny hafa koa. Zava-manan-danja loatra no voafaoka ao anatin' izany ka tsy azontsika atao ny ho resin'ny torimasom-panahy. Aoka isika hitandrina tsy hanjary feno fahasorenana eo am-panaovana asa fanompoana na adidy ara-pivavahana. Andeha isika hiady mafy amin'io torimasom-panahy io izay zava-doza tokoa ho an'ny fitomboan'ny Kristianina sy ho an'ny ainy mihitsy aza. Ho salama sy miroborobo ny fiangonana izay manana mambra mavitrika sy manao ezaka manokana mba hanasoa ny hafa sy hamonjy fanahy. Handrisika ny asa tsara rehetra izany. (...) Hanaitra ny hery rehetra matoritory izany, hanam-pahavononana tsy azo hozongozonina ny fanahy mba hahazoany ny teny fankasitrahana avy amin'ny Mpamonjy hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky," sy hisatrohany ny satroboninahitry ny mpandresy. 
Ataon'i Kristy tempoly tsara tarehy ho an'Andriamanitra ny fiangonana. "Fa na aiza na aiza iangonan'ny roa na telo amin'ny Anarako", hoy Izy, "dia ho eo afovoany Aho." - Mat. 18:20. Ny fiangonany no toerana anjakan'ny fiainam-pahamasinana, izay feno fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina. Samy omen'ny lanitra andraikitra tandrify azy ny mambra tsirairain'ny fiangonana eto an-tany, ary natao hahita fahasambarana avy amin'ny fahasambaran'ireo izay ampiany sy tahiany izy rehetra." OHC, t. 164. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal