Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asa be voninahitra nomena antsika

Daty
Sabotsy 29 August 2026

"Mihira ho an 'i Jehovah, misaora ny anarany; lazao isan 'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly. Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony."- Sal. 96:2, 3

Mofon’aina:
Ambony sy sarobidy ny asa lehibe sy be voninahitra napetraka hataontsika: ny handray anjara amin'ny draft-pamonjena. Tsy haintsika faritana ny hasarobidin'izany. Asaina mandeha amim-pinoana isika, ary raha miezaka (...) manakatra ny fidadasiky ny drafi-pamonjena isika, dia manana tombontsoa ny hiara-mivavaka amin'ny apostoly Paoly mba hahaizantsika "mbamin 'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny."- Efes. 3:18. Asandrato ilay Lehilahin'i Kalvary. Aoka ianao hisaintsaina momba ireo fahatsaran'ny toetrany mandra-pahatonga anao ho voaova araka ny Endriny noho ny fibanjinana Azy. Ny fiainam-pivavahana sy ny fiainam-pinoana no hitarika antsika hanao fiderana ho Azy sy hiresaka momba ny Heriny. (...)

Ny fiovam-po marina dia mampiray ny fontsika amin'ny finoana sy ny fitiavana. Hampianatra antsika hifikitra ma& amin'ny fitokiana amin'Ilay hany fanantenantsika izany. Amin'ny alalan'ny fiovam-po no hanakambanana ny fahalementsika amin'ny herin'Andriamanitra, ny tsy fahalalantsika amin'ny Fahendreny, ny maha-tsinontsinona antsika amin'ny Fahamendrehany, ny fahantrantsika amin'ny Hareny tsy hita fetra (...).

Tsy maintsy mandinika ny Tenin'Andriamanitra isika (...). Ny fanetren-tena, izay toe-tsain'i Kristy, no hanampy antsika hahafantatra Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany.

Raha ampiharintsika eo ar ';i'ny fiainantsika andavanandro ara.,a ny tokony ho izy ny fahamarinana, dia hitombo hatrany isika, ka hahazo fahatakarana mazava kokoa hatrany momba ny fanambaran'Andriamanitra. Hanandratra Azy amin'ny hira fiderana isika. Izao no ambaran'i Kristy amin'ny alalan'ilay mpanao Salamo: "eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao."- Sal. 22:22. Ny Feony no fototra niorenan'izao rehetra izao. Ny heriny tsy voafetra, ny fahendreny tsy takatry ny saina, ary ny sorona mahatalanjona nataony ho an'ny taranak'olombelona dia manampy antsika hahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra. Ilain'ny tsirairay avy amintsika ny hitoerany ao am-po. Ilaintsika ny hanokatra ny saintsika sy ny fontsika mba hitoeran'ny Fanahin'ny fahamarinana. Ilaintsika ny mankasitraka ny tombontsoa omena antsika amin'ny maha-mpitahiry ny fahamarinana masina sy ambony antsika. Saintsaino ny dikan'izao ho antsika: mpandova an'Andriamanitra ary mpiara-mandova amin'i Kristy!- L, 28, 1907. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (64)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal