"Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany."- 1 Jao. 2:28
Mofon’aina:
Ny fahalalana an'Andriamanitra eto amin' izao fiainana izao ihany no ahafahantsika miomana hihaona Aminy amin'ny fiaviany. (...) I Kristy no fanehoana tonga lafatra ny momba an'Andriamanitra ao amin'ireo lesona nomeny sy ny asa lehibe nataony. 10 Kristy io no nanambara tamin'ny tsindrimandry nomeny ny mpanoratra ny filazantsara hoe: "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran 'ny Ray, Izy no nanambara Azy."- Jao. 1:18. "Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian 'ny Zanaka hanehoana Azy."- Mat. 11:27. Ireo teny ireo no maneho ny lanjan'ny fandinihana ny toetran'i Kristy. (...)
Amin'ny maha-solontenantsika Azy dia mijoro eo amin'ny toerana ambony indrindra i Kristy. Fony tonga teto amin'izao tontolo izao Izy (...) dia nitondra ny famonjen'Andriamanitra teo an-tanany. Napetraka teo an-tanany ny olombelona rehetra, satria tao Aminy no nitoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra. (...)
Rehefa mibanjina an'i Kristy isika dia voaova hanahaka Azy ary von ,ana hihaona Aminy amin'ny fiaviany. Ankehitriny no fotoana hiomanana ho amin'ny fiavian'ny Tompontsika. (...) Ny fiambenana sy ny fiasana amin-kafanam-po no fiomanana ho amin'izany toe-javatra manetriketrika izany. Ny fikambanan'ireo roa ireo no mahatanteraka antsika ao amin'i Kristy. (...) Amin'izany no anomezan'ny zanany voninahitra an'Andriamanitra. Ao anatin'ireo raharahan'izao fiainana izao no handrenesana ny feon'izy ireo manao teny mitory fampaherezana sy fanantenana ary finoana. Hatokany ho an'i Kristy ny sitrapony sy ny fitiavany rehetra. Tahaka izany no iomanany hihaona amin'ny Tompony; ary rehefa ho avy Izy, dia hanao izao teny feno fifaliana izao izy ireo: "Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika." - Isa. 25:9 - RH, 20 Jolay 1897