Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tsikin'Andriamanitra

Daty
Talata 16 April 2024

"Ny fitahian'Andriamanitra no mampanan-karena, ary tsy azon'ny fisasarana ampiana alahelo izany." - Ohab. 10:22.  

Mofon’Aina:
Tsy misy na inona na inona mety hahitantsika soa marina raha tsy   eo ny fitahian'Andriamanitra. Izay tahin'Andriamanitra dia voatahy tokoa. Koa "tsara lavitra ny kely ananan’ny olona marina anankiray noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro" - Sal. 37:16. Ombam-pahombiazana kokoa ny fananana kely miaraka amin'ny fitahian'Andriamanitra, ary mbola hitombo be lavitra. (...). Rehefa manolo-tena hanao ny raharahan'ny fanjakan'Andriamanitra isika dia hiahy ny raharahantsika Izy. 
Nomen'ny Tompo fitahiana sarobidy isika ao amin'ireny voninkazo eny an-tsaha ireny, izay maha-velom-bolo antsika ny fofony mamerovero. Nomeny loko kanto ny voninkazo tsirairay; Izy mantsy no Ilay Mpahay zava-kanto lehibe indrindra. Ary ilay namorona izany zavatra tsara tarehy teo amin'ny voary izany, dia hanao zavatra tsara lavitra ho an'ny fanahy tsirairay. Tia ny tsara Andriamanitra, ary iriny horavahana amin'ny harem-pahasoavany ny toetransika. Tiany ho manim-pofona toy ny voninkazo eny an-tsaha koa ny fitenintsika. Tahiny isika ka omeny antsika isan'andro izay ilaintsika ara-nofo. Maneho sy mitondra ny mariky ny hazo fijaliana na dia ny mofo hanintsika aza. 
Ny olona izay manao lohalaharana ny fahazoana antoka ny fitahiana maharitra mandrakizay hoenti-mamoky ny fanahiny no tena sambatra. Hoy ny Mpamonjintsika hoe "Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany" - Mat. 6:33. Miahy antsika Andriamanitra, eny, tahiany koa ny ara-nofontsika. Tsy misy ataon'Andriamanitra ambanin-javatra izay mahasoa antsika eto an-tany. 
Fantany tsara fa ilaintsika ireo zavatra ireo. Rehefa itsikian'Andriamanitra ny ezaka ataontsika, dia izany no tsara lavitra noho ny vola rehetra mety ho azontsika eto an-tany. (...) "Manjary mamy ery isan'andro ny fisahiranantsika rehefa mifangaro amin'ny fitiavany antsika!" 
Ny fanafahana rehetra sy ny fitahiana rehetra izay efa nomen'Andriamanitra ny olony tamin'ny lasa, dia tokony ho velomina mandrakariva ao amin'ny fitadidiantsika, mba ho tonga toky azo antoka ny amin'ny hanomezany antsika fitahiana lehibe sy mitombo hatrany. 
Nomena tombontsoa handray fitahiana isika, ary tsy misy fetra izany fitahiana izany. - OHC, t. 196. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal