"Anaka, raha taomin'ny mpanota hianao, aza manaiky. " - Ohab. 1:10.
Mofon’aina:
Tsy azontsika atao ny mametraka ny tenantsika ao anaty faritanin'ny fahavalo. Eto isika noho ny fizahan-toetra. Tsy azontsika atao ny manao ny devoly mpaka fanahy ho toy ny tsy misy. Misy fakam-panahy tonga amintsika tokoa, ary tsy azontsika atao ny manaiky ho lavon'izany kanefa tsy hampidi-doza ny fanahintsika. Ilaintsika ny mahafantatra raha eo amin'ny lalana azo antoka tokoa ny tongotsika.
Ianareo izay mikambana amin'ny tsy mpankatò sy tia izao tontolo izao, henoy izao antso izao: « Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehovah. Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha» - 2 Kor. 6:17,18. (...)
Rehefa mankany amin'izay misy fahotana ianao, ka mankao amin'ny faritanin'ny fahavalo, dia tonga eo amin'ny toerana izay tsy hiarovan'ireo anjelin'Andriamanitra anao amin'ny fitaoman-dratsy. Tokony ho fantatsika fa eo anilantsika mandrakariva i Kristy. Aoka hatoky Azy tanteraka isika. (...) Inona no azonao antenaina amin'ny olombelona izay tsy eo ambany fifehezan'ny herin'Andriamanitra? Tsy mahalala Azy izao tontolo izao ankehitriny. Mazava sy miavaka tsara ny tsipika mampisaraka ireo izay mitandrina ny didiny sy ireo izay tsy manao izany. Tsy haintsika ny sady manompo an' izao tontolo no manao izay ankasitrahan'Andriamanitra. (...)
Maro ny olona toa malahelo noho ny fivavahany. Tsy tokony hiala tsiny amin'izao tontolo izao isika satria hoe Kristianina. Amin'i Jesosy Kristy irery ihany no hifonako, satria tsy tanteraka ao Aminy aho. (...) Raha tia an'i Jesosy isika, dia ho tonga mpandova an'Andriamanitra, ary ny Ray ho tia antsika tahaka ny itiavany an'i Jesosy Kristy Zanany. Isan'ny ankohonan'ny mpanjaka isika, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. (...)
Ny fankatoavany ny Rainy sy ny fitandremany ny lalany toy ny anakandriamasony no tena fahambonian'i Kristy. Aoka hisy akony amin'ny toetrantsika izany. (...)Andeha isika hanandratra an'i Jesosy. Andeha hatolotsika Azy ny fanompoana tsara indrindra avy amin'ny fontsika, ary Izy hilaza hoe: Ekeko eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ireo anjeliny ianao. Ms, 14, 1903,