Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manandratra avo ny faneva

Daty
Sabotsy 20 April 2024

"Mivoaha, mivoaha amin 'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangana faneva ho tazan'ny firenena." — Isa. 62:10.

Mofon’Aina: Tsy ireo foto-kevitra lehiben'ny fahamarinana sy ny adidy   izay tokony hitondra ny fiainantsika ihany no asehon'ny Tenin'Andriamanitra, fa hita ao koa, ho fampaherezana antsika, ny tantaran'ireo olona maro nampihatra izany foto-kevitra teo amin'ny fiainany. (...) Ankoatra Ilay modely tokana sady tonga lafatra, dia tsy misy olona voatantara ao amin'ireo takilan'ny Soratra Masina ka azo ampitahaina amin'i Daniela mpaminany. Na teo anatrehany avokoa aza ireo zava-manintona rehetra tao an-dapan'ny mpanjaka nandritra ny fahatanorany dia tonga lehilahy mahatoky sy feno fanoloran-tena ho an'Andriamanitra izy. Nanjohy azy mandrakariva ny fakam-panahy mahery vaikan' i Satana, kanefa tsy mba nihozongozona ny toetrany (...). Nijoro tsara izy teo amin'izay mety ho nahalavo ny maro (...). Enga anie ho velona ao am-pon'ny vahoakan' Andriamanitra ankehitriny io finoana sy fahatokiana ary fanoloran-tenan'i Daniela mpaminany io. Amin' izao andro izao indrindra no Lena ilana ireo lafin-toetra mendrika ireo. (... )

Rehefa dinihina indray ny voasoratra momba ireo izay niasa sy niari-pahoriana noho ny anaran'i Jesôsy , dia tsy misy anarana mamirapiratra madio tahaka ny anaran'i Paoly, apostolin'ny Jentilisa. Ny fitiavan'i Jesôsy namirapiratra tao am-pony no nahatonga azy nanadino ny tenany sy nanana fandavan-tena. Efa hitany ilay Kristy natsangana tamin'ny maty, voasokitra tao amin'ny fanahiny ny sarin' ny Mpamonjy ka namirapiratra teo amin'ny fiainany. Tamin'ny finoana sy herim-po ary fahavononana tsy resin'ny loza na nihazohazo teo anatrehan'ny sakantsakana no nandehanany nitety tany samihafa nizara ny fahalalana ny hazo fijaliana. (...) 

Mampihatra ny foto-kevitry ny finoany toy izany koa ve ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy? Aiza ireo fanandramana lalina sy velona ary masina, izay nahazatra ny olon'Andriamanitra ny nitantara azy? Moa ve nampidinina ny fanevan'ny fivavahana kristianina? Tsia; fa mbola mitoetra eo amin'izay nametrahan'Andriamanitra azy ihany izany. Namoy ny zava-drehetra ho an'i Kristy ireo olo-masina fahizay, nandala ny toe-tsainy ary nanaraka ny ohatra nasehony. Tsy latsak'izany koa no takina ankehitriny. — OHC, t. 249. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal