"Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy." - Mat. 16:24.
Mofon’aina:
Ny toriteny sarotra atao sy sarotra ampiharina indrindra dia momba ny fandavan-tena. Ny mpanota fatra-pitia harena, ny "izaho", dia manakatom-baravarana tsy manao ny soa tokony ho vitany, izay tsy vita satria lany ho an'ny tanjona feno fitiavan-tena ny vola. Mety tsy hanana fahafahana hanao zava-dehibe mihitsy isika; mety tsy hotakina haneho fahafoizan-tena faratampony mihitsy isika. Nefa ny fandresena lehibe indrindra mety ho azontsika dia ny fanarahana an'i Jesosy. (...) Feno fandavan-tena ny fiainan' i Kristy manontolo teto an-tany. Raha te hanaraka Azy eo amin'ny lalan-tsarotry ny fandavan-tena isika (...) dia tsy maintsy hita eo amin'ny asa sy ny fiainantsika andavanandro izany fandavan-tena izany. (...)
Ny fahazoana vola sy tombony amin'ny fomba rehetra no fomba fiasan' izao tontolo izao, ny fanangonan-karena eto an-tany (...). Ny tanjona sy ny zava-kendren'ny mpanara-dia an'i Jesosy Kristy Tompontsika kosa dia ny ho tahaka Azy amin'ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena. Ny harena mandrakizay, izay mety ho azony amin'ny alalan'ny fahafoizana ny haren'ny tany, no banjininy mandrakariva. Izao no fepetra: izay tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy azo ekena ho mpianany. (...)
«Mahasambatra ny manome noho ny mandray» - Asa. 20:35. (...) Ny fandavan-tena no hitondra ao an-trano firaketan'Andriamanitra ny hoenti-manana ilaina hampandrosoana ny asany. Toy izany no iarahantsika miasa amin'i Kristy. Mino ny mpanara-dia an'i Kristy fa ny famerenany amin'ny Tompo ny Azy no andraisan'izy ireo fitahiana; satria mamory harena any an-danitra izy, izay homena azy rehefa holazaina aminy hoe: «Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; midira amin'ny fifalian 'ny tomponao » -Mat. 25:23. Inona izany fifaliana izany? «Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin>ny ankavanan>ny .seza fiandrianan>Andriamanitra Izy.» - Heb. 12:2. Ny fifaliana mahita fanahy voavotra, fanahy voavonjy mandrakizay, no tombontsoan'ireo izay nandresy ny zava-tsarotra mba hahazoany manaraka ny dian'Ilay niteny hoe: «Manaraha Ahy.» - L, 52, 1897.