Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny drafitr’Andriamanitra ho fanohanana ny asany

Daty
Zoma 23 October 2026

 "Izay manisy soa olona hohatavezina,. ary izay mandena dia mba holemana kosa." - Ohab. 11:25.

Mofon’aina:
Nataon'ny Tompo hiankina amin'ny talenta natokana hanompoana Azy sy ny fanatitra an-tsitrapo atolotry ny vahoakany ny fitoriana ny Filazantsara. Raha nifidy olona hitory ny Teny Izy, dia ny fiangonana manontolo no nomeny tombontsoa handray anjara amin'izany asa izany amin'ny alalan'ny fananany hoenti-manohana izany. Ary nibaiko azy ireo koa Izy mba hiahy ny mahantra, amin'ny maha solontenany Azy. Ambaran'ny Tompo fa Azy ny ampahafolony amin'ny fidiram-bolantsika rehetra, izay natokana ho fanohanana ireo izay manokan-tena ho amin'ny fitoriana ny Filazantsara ihany. Ary ankoatra izany dia mangataka antsika hitondra fanomezana sy fanatitra hanohanana ny asany Izy, ary koa hanampiana ny malahelo. (...)

Tsy mitsahatra mandrotsaka fitahiana sy mamindra fo isan'andro amin'ny olombelona ny Tompo. Maty isika raha tsy noho ireny fanomezany ireny. (...) «Fa izy mampiposaka ny masoandrony  amin'ny ratsy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina» - Mat. 5:45, sady «rnanome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana» - Asa. 14:17. Andriamanitra no manome hery ny olona hahazoana harena. Avy Aminy avokoa ny hevitra sy ny faharanitan-tsaina, ny fahaizana mandamina sy manatanteraka. Izy no manome fahasalamana sy manokatra lalana ho antsika (...). Ary hoy Izy amintsika: «Ahy ny ampahany amin'ny vola izay nanomezako anao fahafahana ny hahazo izany. Ento ao an-trano firaketako izany amin'ny alalan'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra, mba hasian-kanina ao an-tranoko — mba hisy hanohanana ireo izay mitory ny Filazantsaran'ny fahasoavako amin'izao tontolo izao.»

Azon'Andriamanitra atao ny mampandroso ny asany eto amin'izao tontolo izao, ny manome ho an'ny malahelo, na tsy misy fiaraha-miasa amin'ny olombelona aza. Angatahiny anefa ny asa fanompoantsika sy ny fanomezantsika, tsy ny hanehoantsika ny fitiavantsika Azy sy ny namantsika ihany, fa satria koa ny asa fanompoana sy ny fahafoizan-tena ho an'ny hafa dia manamafy orina ny toe-tsaina tia manao soa ao am-pon'ny mpanome, ka mampanakaiky antsika kokoa Amin'Ilay efa nanan-karena, nefa nanjary nahantra' noho ny amintsika, mba hampanan-karena antsika ny fahantrany. – RH, 9 Mey, 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal