Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitsipiky ny fanomezana, ara-Balboly

Daty
Sabotsy 24 October 2026

  "Fa aoka samy hanatitra izay zakany araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao." - Deo. 16:17.

Mofon’aina:
Ohatra tsara mampiseho ilay toe-kftsain'ny fitiavana sy fahafoizan-tena ambolen'ny fahasoavan'i Kristy ao am-po ny fanandramana niainan'ireo Kristianina tany Makedonia. Hoy ny apostoly Paoly momba azy ireo: «fa tamimny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan>ny hafalianay, ary ny hamafirpny fahantrany no nampitombo ny haremny hitsim-pony. (...) Nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin>izany fanompoana ho an>ny olona masina izany; ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon 'Andriamanitra. » - 2 Kan 8:2-5. Ary na aiza na aiza itoeran'ny Fanahin'i Kristy, dia hiseho koa izany vokatra izany. - RH, 9 May 1893.

 Araka ny rafitra momba ny fahafolon-karena sy ny fanatitra ao amin'ny Baiboly, dia mazava loatra fa tsy hitovy velively ny vola arotsaky ny tsirairay satria mifanentana amin'ny fidiram-bola izany. Ho an'ny mahantra, ny ampahafolony dia ho vola kely raha oharina amin'ny an'ny hafa, ary araka izay ananany no anomezany. Nefa tsy ny halehiben'ny fanomezana no mahatonga ny fanatitra hankasitrahan'Andriamanitra; fa ny toe-pc) nanaovana izany, ny fankasitrahana sy ny fitiavana asehon'izany. Aoka ny mahantra tsy hihevitra fa kely loatra ny fanomezany ka tsy mendrika ny hoheverina. Aoka izy ireo hanome araka izay fahafahany, hahatsapa fa mpanompon'Andriamanitra izy, ary hankasitraka ny fanatiny Izy.

Izay nanankinan'Andriamanitra vola betsaka, raha tia sy matahotra an'Andriamanitra izy, ary mazava ny feon'ny fieritreretany, dia tsy hihevitra ny fankatoavana ny fitakian'Andriamanitra ho enta-mavesatra. Halaim-panahy ho tia tena sy mahihitra ny mpanan-karena, ka hihazona ho an'ny tenany ny fananan'ny Tompo, nefa izay mahatoky amin'Andriamanitra, rehefa alaim-panahy, dia hamaly an' i Satana hoe: «Voasoratra hoe:» «Handroba an'Andriamanitra va ny olona?» (...)

Izay misaintsaina mandrakariva ny zava-misy mandrakizay, izay tia ny Tompo amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ary ny heriny rehetra, ary tia ny namany tahaka ny tenany, dia hanatanteraka amim-pahatokiana ny adidiny rehetra, toy ny hoe nesorina ny lamba manarona ka hitany fa miasa eo anatrehan'ny lanitra manontolo izy. –RH, 16 Mey 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal